airtel

Actualités

05-mars-2024

Mpitandro ny filaminana

Miantso ilay nanolana zaza 6 taona hitolo-batana mora

Sample post image

Mpitandro ny filaminana Miantso ilay nanolana zaza 6 taona

05-mars-2024

hitolo-batana moramora Nanao fanambarana hentitra ny mpitandro filaminana omaly manoloana ilay tranga fanolanana zaza vao 6 taona tao Imeritsiatosika. Nangataka ilay nahavanon-doza hitonon-tena avy hatrany, na eny anivon'ny tobin'ny mpitandro filaminana akaiky azy indrindra tsy misy hatakandro. "Miantso an'i Da-Willy nanolana ilay zaza tany Imerimandroso Imerintsiatosika hitolo-batana ", hoy izy ireo. "Tsy maintsy ho tratra ianao na ho aiza na ho aiza", hoy ny Jeneraly Mamelison Mbina Nonos, talen'ny fikarohana ny fandikan-dalàna (DPJ) eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena, notronin'ny Kaomisera Divizionera Razafindrazaka Hector (DPJ Polisim-pirenena) sy Kaomisera Rasoamanarivo Lydie, lehiben'ny Foiben'ny sampandraharahan'ny polisy miaro ny zaza sy miady amin'ny heloka mamoafady (SCPMPM). Nanome baiko ho an’ny mpitandro filaminana mba hahafahana misoroka ny trangana fanolanana rehetra manerana ny nosy ary handray andraikitra haingana raha misy ny tranga. Nanentana ny ray aman-dreny ihany koa izy ireo mba hanara-maso ny zanany. Hentitra ny mpitandro filaminana manoloana ireo karazana trangana fanolanana zaza tsy ampy taona, ka nanamafy fa fandikan-dalàna mamoafady ny fanolanana, ka mila hampiharana ny lalàna mana-kery.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap
15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap