airtel

Actualités

07-avril-2023

Actualités

Mpitantana « wanted » Izay lasa dia tsy hita popoka

Sample post image

Toa zary lasa fomba fiasan’ny Fanjakana ity politikan’ny “lasa ny alika vao manangom-bato” ity, eo anatrehan’ny raharaha maloto mahasaringotra tompon’andraikitra ambony ara-panjakana tafaporitsaka any ivelany.

07-avril-2023

Efa tsy eto vao hoe hosamborina. Isan’ny taratr’izany ny raharaha CNaPS. Efa namoahana didy tsy fahafahana mivoaka ivelan'i Madagasikara na IST ny febroary 2020 ny Tale Jeneralin'ny CNaPS teo aloha sady Filohan'ny Federasionin'ny baolina kitra Malagasy Atoa Rabekoto Arizaka Raoul, saingy tafavoaka niala teto, ary ny martsa 2021 dia nipoitra tamin’ny fifidianana Filohan’ny CAF. Nosazian’ny PAC (Pôle Anti-Corruption) sazy hanao asa an-terivozona 10 taona arahina lamandy 500 tapitrisa ariary, sazy mihatra avy hatrany, ny 25 septambra 2021,... Voasazy higadra 5 taona an-tranomaizina ihany koa ny praiminisitra teo aloha ny Jeneraly Jean Ravelonarivo, satria ny orinasany no voatondro fa nahazo tombotsoa tamin'ilay fanodikodinam-bola tao amin’ny CNaPS. Nosazian'ny fitsarana handoa 200 tapitrisa Ariary ihany koa ilay orinasa. Ny tapaky ny oktobra 2021 anefa, dia voalaza fa nitsoaka an-tsambokely, nandalo tany Mayotte, ary voalaza fa efa any Paris, ary manana visa 3 taona,… Ny raharaha hafa izay mahavaka ny sain'ny maro ihany koa dia ny hoe : nilamina sy afaka madiodio ve ny Tale Jeneralin'ny CNaPS iray teo aloha Atoa Mamy Rakotondraibe. Ity farany izay nisy fotoana naiditra am-ponja. Nalaza avy eo fa hoe: tsy nijanona ela tany fa efa navoaka. Nisy fotoana aza nisy resaka nifamahofaho fa hoe: nalefa nitsoaka tany ivelany? Efa nesorin'ny Minisitry fitaterana teo aloha Atoa Roland Ranjatoelina tsy ho Filohan'ny Filankevi-pitantanan'ny Air Madagascar izay lasa Madagascar Airlines. Ny 10 martsa teo anefa, dia tazana tao anatin'ny sarin'ny Minisiteran'ny fitaterana miray latabatra amin'ny Minisitra vaovao. Niravona sy nilamina teo ve ny raharaham-pitantanana ny CNaPS izay raharaha amina miliara maro? Io indray ny raharaha Jirama, narirarira teo ny resaka "prime" 1 miliara mahery, novoizina aza fa fanakorontanana saim-bahoaka,... Raharaha efa tany amin'ny jona 2021, dia aty amin'ny aprily 2023 vao hoe: amoahana didy fampisamborana ireo Tale Jeneraly roa teo aloha Atoa Vonjy Andriamanga sy Atoa Rivo Radanielina. Ny iray voalaza fa efa ela no miasa any Haïti. Ny iray narirarira teto nolazaina fa eto ihany, hiverina hiasa tsy ho ela,... Voalaza fa tany Toalagnaro, tao anaty lisitry ny mpandehan'ny Air Austral saingy tsy tonga, avy eo anefa misy loharanom-baovao nahalalana fa niondrana an-tsambokely niala an'i Madagasikara. Tsy vitsy ireo manana afera maloto na manahy korontana politika no efa niomana sy vonona, manana ireny tapakilana fiaramanidina misokatra na "open" ireny, azo ampiasaina amin'ny fotoana rehetra raha misy ny hamehana. Misy maharitra herintaona, 2 taona,... Efa betsaka ihany koa ireo firenena manao irony antsoina hoe: "Visa sur place" izany hoe: efa tonga any vao manao "Visa",…
HO VITAVITA HO AZY AMIN’NY FIFARAHANA POLITIKA?
Tsy manana olana manokana amin'ireny olona ireny isika ary ekena fa mety misy ho noho ny tsy fitovian-kevitra politika ny sasany. Mbola maro ihany koa ny nanao afera maloto mbola miriaria ao, mialokaloka amin’ny fahefana sy ny zo tsy azo henjehina na fahasarotan’ny dingana toy ny mankany amin’ny Fitsarana ambony na HCJ. Izay voarohirohy ho nanao kolikoly avo lenta sy nanodina volam-panjakana ve izany handeha na havela hitsoaka malalaka avokoa? Holalaovina sy hatao safobemantsina avy eo rehefa misy ny krizy politika mety hiafara amin'ny fifanarahana dia ho holazaina fa voafafan'ny fifanarahana politika izany? Ny vahoaka Malagasy hatrany no ho tratra farany eto, fa ny afera maloto ho vitavita ho azy?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap