airtel

Actualités

18-nov-2024

Mpitondra nanao be fiavy tany Toamasina

Tia mifety eo ambony fahoriam-bahoaka

Sample post image

Nafana indray ny fihetsiketsehana tao Toamasina ny faran’ny herinandro teo,

18-nov-2024

izay ny Filoham-pirenena no niditra an-tsehatra. Fanindroany izao i Andry Rajoelina no nitokana ny « Boulevard Ratsimilaho » taorian’ny fahavitan’ny tapany voalohany, ary ny tapany faharoa indray no notokanana farany teo, ankoatra ny Gymnase Arena. Teo ihany koa ny fanombohana ny asa fanamboarana ny lalana mampitohy ny plaque Relax amin'ny Vigie Mangarano ao Toamasina izay tena efa simba sy mampijaly ny mpampiasa azy. Tafiditra anatina fandaharan'asa fanamboarana ny lalana miisa 6 ao Toamasina izany. Famatsiam-bolan'ny Tahirim-bola ho an'ny lalana no entina manao ny asa izay vinaniana aharitra 12 volana. Iantohana ny fifamezivezen'ny mponina sy ireo fiara anaty fandriam-pahalemana izao fanamboaran-dalana izao, araka ny seraseram-panjakana. « Iza no sahy milaza fa tsy mamiratra i Toamasina ? Mbola tsy nisy asa natao tahaka izao tao Toamasina. Fantatro ianareo fa tia ahy, raha tianareo handroso i Toamasina dia zavatra tsotra no lazaiko aminareo izay fankahalana dia valiantsika amin’ny fitiavana. Ny sasany handrava fa isika hanangana, fa indrindra tsy mandrodana. », hoy i Andry Rajoelina. Tsapa sy tsikaritra ny serasera politika hoeni-manao pi-maso ny vahoaka hamaly babena amin’ny fanohanana ny kandidam-panjakana amin’ny fifidianana ben’ny tanàna. Ao Toamasina izay heverina fa sarotra ny handresy ny kandida ben’ny tanàna Roland Ratsiraka izay nitarika tamin’ny fifidianana depiote ary vao mainka nitombo hery satria tsy misy mpanohitra hafa mifaninana aminy. Nambara fa betsaka ny fampandrosoana entin’ny Fanjakana Rajoelina ao Toamasina, saingy tena misy akony ara-toekerana ho an’ny mponina ve sa sao dia ny rendrarendra no betsaka ? Ny tena asa lehibe tena heverina fa hisy akony lehibe ao Toamasina izao dia ny fanitarana ny seranan-tsambo izay ny Fanjakana Rajaonarimampianina no angady nananana sy vy nahitana azy, fiaraha-miasa amin’ny Japonais amin’ny alalan’ny JICA. Ny RN2 im-piry nanaovana asa petatoko ka potika lava,…
TIA MIFETY SY MANESO VAHOAKA…
Fanamarihana mbola azo entina hatrany ny fanaovan’ny mpitondra Fanjakana be fiavy amin’ny fihetsiketsehana tahaka izao. Nanao be fiavy indray ireo mpitondra ambony tonga tany Toamasina satria samy tany ny Filoha sy Praiminitra, Mpikamban’ny governemanta maro nahitana minisitra sy sekretariam-panjakana (Fitsarana, Serasera sy kolontsaina, asa sy fampananan’asa, filaminam-bahoaka, fitaterana, Atitany, sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, sekteteram-panjakana miahy ny fanjarian-tsakafo) Filoha lefitry ny Antenimierandoholona miisa 2 avy amin’ny Faritany Atsimo sy Faritra Avaratra, loholona 2, niampy depiote maromaro, governora. Asa hoe : tena nilaina ve ireo rehetra ireo tamin’ny lanonana sa tena mandany volam-panjakana tsy toko tsy forohana hanaovana fanehoan-kery politika ? Migalabona amin’ny volam-panjakana eo anatrehan’izao efa fahoriam-bahoaka marolafy izao ? Sao dia mba efa fanesoana vahoaka hoe : ny mpitondra miliba sy mifety fa ny vahoaka mitrongy vao homana mitady izay harapaka kanefa ny tolotra ara-panjakana samihafa efa tsizarizary ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap