izay miroborobo fatratra dia tena tsy manaiky mihitsy koa ireo mijorojoro eny amin’ny sisin-dalana toy ny eny Tsaralalana sy Ankadimbahoaka. Ho an’ireo mivelona amin’ity asa ity etsy Ankadimbahoaka dia fantatra fa tena maina ny tsenan’izy ireo tato ho ato. Misy tsy mitondra vola mody mihitsy indraindray, raha araka ny fanadihadiana natao antony manosika ny sasany hivoaka eny amin’ny arabe. Tsy miandry izay haka azy fotsiny anefa izy ireo mandritra izany fa mila vanony amin’ ireo mpivady na mpifankatia mandalo mihitsy. Raha araka ny fanazavan’ny tovovavy iray niaraka tamin’ny olon-tiany nandalo harivariva teny amin’iny faritra iny dia nosintonin’ilay vehivavy mpivaro-tena iray mihitsy ny tanan’ilay olon-tiany no sady nodokadokafany hoe : mahafatifaty ialahy…. Mbola nitohy tamin’ny fihetsika mamoafady nataon’ity mpivaro-tena ity izany hoy izy koa raha tsy teo aho dia mety voasarika ihany ilay olon-tiako. Nosintonin’ilay tovovavy fotsiny moa ilay olon-tiany nanoloana izany ka lasa niala haingana teo amin’ilay toerana izy ireo.
Pati
Legende : Efa mila vanony amin’ny mpandalo ihany koa ireo mpivaro-tena amin’izao!
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny