airtel

Actualités

13-févr-2026

MPONIN'ARIVONIMAMO

LASIBATRA TAO TOAMASINA

Sample post image

9 naratra mafy, 12 namoy ny ainy

13-févr-2026

Manoloana ny fahavoazana nateraky ny fandalovan’ny rivodoza GEZANI, izay nahavoa mafy ireo fianakaviana avy ao amin’ny Kaominina Miantsoarivo, Distrikan’Arivonimamo, nila ravinahitra tany Toamasina, dia haneho ny firaisankinany sy ny fifanohanana amîn'izy ireo ireo mponina any amin'ity distrika iray ity. Araka ny vaovao voaray, dia sivy (09) ireo mbola manohy fitsaboana amin’izao fotoana izao, ary miisa roa ambin’ny folo (12) kosa ireo namoy ny ainy ka mila tohana sy fanampiana ireo fianakaviana tra-pahoriana. Efa natsangana araka izany ny komity mpikarakara ny fanampiana, tarihin’ny Lehiben’ny Distrikan'Arivonimamo. Eo anoloan’ny Biraon’ny Distrika no handraisana mivantana ireo tolo-tanana. Ho an’ireo maniry ny handefa fanampiana amin’ny alalan’ny mobile money kosa dia efa misy ny laharana efa voatokana amin'izany. Efa nanomboka omaly Alakamisy 12 Febroary ny hetsika.
Pati
Légende : Tahaka izao ny fahavitrihan'ny mponina hatramin'ny omaly !

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap