airtel

Actualités

05-févr-2024

Mponin’Ankazotoho Anosimahavelona

« Miaramila iray mamo nampihorohoro anay tamin’ny basy »

Sample post image

Miaramila iray no voalaza fa mamo ka nampihorohoro ny mponina tao

05-févr-2024

Ankazotoho Anosimahavelona, boroborintany faha-4 ny sabotsy lasa teo. Nanao fanamiana izy io, ary nitondra basy kalaky niaraka tamin'ny « chargeurs » miisa 2 ka ny iray nipetaka tamin'ilay basy, ny iray notazoniny teny an- tanana, raha ny fanamarihana. Nisy ny fandraisana andraikitra mba hisorohana ny mety ho zava-doza aterany, ka niditra an-tsehatra ny polisy. Tsy nanaiky netin'ny polisin'ny 5ème anefa izy io ary nanao vava be tamin'ireo polisy hoe "tsy misy miala eto na hifampitifitra eto aza isika!", hoy hatrany ny fitantarana. Tonga ny namany miaramila izay izy vao nandeha ity miaramila ity, raha ny fanamarihana. Mihorohoro ny mponina Ankazotoho noho ity tranga niseho omaly ity. Miandry ny tohin' ity raharaha ity ny mponina ao Ankazotoho Anosimahavelona mba tsy handehandeha ho azy ity tranga iray ity. Somary saropady ny raharaha, indrindra fa teo ihany koa ny fidirana an-tsehatry ny polisy. Raha ampifandraisina amin’ny tranga hafa, dia nisy ny fanambaran’ny Minisitry ny fiarovam-pirenena teo anatrehan’ny raharaha miaramila voasaringotra tamin’ny raharaha asan-dahalo tany Ankazobe hoe : tsy miaro olon-dratsy ny tafika, ka heverina fa mety hisy ny fepetra raisina mahakasika ny tranga toa itony.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Nitombo 12% tamin’ny volana aprily teo raha oharina ny tamin'ny volana aprily 2023 ny mpizahatany

Card image cap
17-mai-2024

Taorian’ny Minisitry ny filaminana anatiny herinandro latsaka izay nidina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato,

Card image cap
17-mai-2024

Vehivavy iray tombanana ho 30 taona eo ho eo no hita faty tao Fitroafana Talatamaty,

Card image cap
17-mai-2024

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 16 mey tetikasa telo vaovao eo amin'ny sehatry ny tontolo iainana,

Card image cap
16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap