airtel

Actualités

06-déc-2022

Actualités

Mponin’Antananarivo Mahalany lodisia 6 kamiao isan’andro

Sample post image

Fotoana fahavokaran’ny lodisia izao volana desambra mialohan’ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona izao.

06-déc-2022

Ankoatra ny tsirony izay mamy no sady manala hetaheta amin’ny hafanambe dia fantatra fa tena mitondra fahasalamana ho an’ny vatana tokoa ny fihinanana lodisia. Ho an’ny mponina eto Antananarivo manokana dia fantatra fa mahalany lodisia 6 kamiao isan’andro raha kely izy ireo izay miparitaka amina tsena lehibe maromaro toy ny eny Anosibe izay tsy zoviana amin’ny maro intsony, ny eny Alasora….1.500 Ar ny iray kilao amin’izao eny an-tsena raha 10.000 Ar kosa ny iray garaba amin’ny antony ho an’ireo maka avy hatrany eny amin’ny kamiao. Manodidina ny 8 kg eo ho eo ny lanjan’ny lodisia ho an’ny garaba iray antonontonony raha avo roa heny noho izay ho an’ireo garaba lehibe. Raha araka ny fantatra dia ireo mpiasa sy mpianatra no tena mandany ny lodisia hamidy eny an-tsena. Ny tena olana anefa dia ny hoditr’izy ireny izay tena mampitombo sy manaparitaka fako tsy toko sy forohana tokoa. Ho an’ny etsy amin’ny tsenan’Anosibe manokana dia ny hodi-manga sy ny hoditra lodisia no mitana ny an-tsasaky ny fako raofin’ny fiaraben’ny kaominina eny an-toerana isan’andro izay marihina fa sady mamoaka fofona no miteraka lalitra sy olitra. Mahatsiaro ho sahirana ireo mpivarotra sy mponina eny an-toerana noho izany raha vantany vao tara ny mpandroaka fako.
Pati
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap