airtel

Actualités

13-janv-2025

Na nahery vaika aza ny rivodoza

Nampiaina ny zavaboahary ny orana nilatsaka aloha!

Sample post image

Na noho ny rivodoza na noho ny rivon-tsoa dia nampiaina ny zavaboahary ny orana nilatsaka aloha,

13-janv-2025

hoy ny fanehoan-kevitry ny mpanara-baovao sendra tratr’orana teny an-dalana iny sabotsy iny, raha ho an’ireo mponina teto Analamanga! Heverina ihany koa etsy ankilan’izay fa tsy nisy izay tsy niandrandra izany atao hoe rotsak’orana izany ny faritra rehetra manerana ny nosy. Maray fo amin’ireo mpiray tanindrazana any amin’iny faritra avaratra atsinanan’ny nosy iny sy izay faritra hafa efa tra-pahavoazana, na izany na tsy izany, aloha izany izao rehefa malagasy manoloana ny fahoriana maha traboina azy ireo any an-toerana vokatr’izao fandalovan’ny andro ratsy Dikeledi izao. Raha ny angom-baovao voaray teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro aloha dia aorian’ny mety ho fandalovan’ny andro ratsy mihitsy vao mety hahazo rotsak’orana feno ny eto afovoan-tany. Izany hoe mety amin’io herinandro hoavy io mihitsy, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap