airtel

Actualités

06-avril-2023

Actualités

Nafenina tao anaty gonin-tsaribao Sokatra 54 isa avy any Toliara saika haondrana eto Antananarivo

Sample post image

Mbola mahazo vahana hatrany ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena eto amintsika. Sokatra miisa 54 natao tao anaty gonin-tsaribao indray ny 03 aprily teo no saron’ny Polisy

06-avril-2023

miasa ao Ihorombe. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nahazo antso avy amin’ny olona tsara sitrapo izy ireo mikasika izany. Nanao ny fanadihadiana avy hatrany ny Polisy ka tao Ihorombe ihany ny kamiao lehibe iray mpitondra saribao. Rehefa natao ny fisavana ireo entana nentiny dia nahitana sokatra iray gony izay nafenina tao afovoan’ireo gony nisy saribao. Natao ny fikarohana izay mety ho tompon'antoka tamin’izany ka olona miisa 03 no voasambotra tany Toliary izay fantatra fa tompon'ireo sokatra saika ahondrana eto Antananarivo ireo. Vehivavy ny iray amin’izy ireo raha lehilahy kosa ny 02 ambiny. Efa naverina any amin’ny toerana niaviany moa ireto sokatra ireto ho fiarovana ny ainy. Ankoatra ny fanondranana sokatra an-tsokosoko tahaka izao moa dia tsiahivina fa mbola misy ireo hotely manao laoka azy ireny any amin’iny lalam-pirenena fahafito iny ka tokony arahi-maso sy henjehina araka ny lalana ihany koa.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap