airtel

Actualités

30-janv-2025

Nahandro amin’ny kitay

Sady tsiro no kolontsaina

Sample post image

Samihafa mihitsy izany nahandro natao tamin’ny kitay sy natao tamin’ny entona

30-janv-2025

fandrehitra na «gaz» izany, hoy ny avy eo anivon’ny fikambanana Tandroharena na fikambanan’ireo mpianatra mpikaroka sy mpikaroka momba ny vakoka. Sady tsiro no kolontsaina, raha ho antsika antsika malagasy manokana, hoy ny mpitarika ity fikambanana ity, Eddy Jean Philippe, izany nahandro natao tamin’ny kitay izany, izany hoe, matsiro kokoa raha oharina amin’ilay iray. Iarahantsika mahita ireny fisarihana mpanjifa eny amin’ny mpanao Pizza ireny, hoy izy. Soritana manokana mihitsy hoe «cuit au feu de bois» na nandrahoina tamin’ny kitay. Mifono kolontsaina maro koa io, etsy ankilan’izay, satria teo no nihavian’ny hoe tafa amorom-patana teo amin’ny malagasy. Tsy vitan’ny hoe mampifandray ny mpianakavy fotsiny ny fanamasahana sakafo amin’ny alalan’ny kitay fa sady mitondra hazavana sy hafanana ao amin’ilay tokantrano koa. Kolontsaina mifanandrify amin’ny any firenena maro rahateo aza moa izay rehefa tena zohiana. Tsetsatsetsa tsy aritra etsy ankilan’izay ny hoe ahiana hampidi-doza kokoa ny fandrahoana sakafo amin’ny «gaz» raha mitaha amin’ny fandrahoana sakafo amin’ny kitay raha ny hita hatramin’izay aloha. Firifiry moa na teto an-toerana io na tany ivelany izay loza an-dakozia vokatry ny fipoahana entona fandrehitra izay, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap