fa ahiana ny fifandonana sy fifamonoana vokatry ny lonilony mikasika ny tetikasa Base Toliara. Tsy voalamina ny disadisa miteraka fifandatsahana aina satria nipoitra izany. Ny sabotsy 13 septambra teo, lehilahy iray vao 30 taona anatin’ny Fikambanana Mazoto no maty voatifitra. Voalazan’ireo namany fa nanantona ny tanàna iray antsoina hoe Ampasimagniliky, Zananatanana Benetsy, Kaominina Ankilimalinika ireo mpitandro ny filaminana, ka fitifirana avy hatrany no nataony rehefa ankaiky hiditra ny tanàna izy ireo. Vokany, voatifitra teo amin'ny lohany nandritra izany io lehilahy io. Namafisina araka ny vaovao avy any an-toerana fa mbola miafina any anaty ala ireo vatan-dehilahy izay manohitra ny fitrandrahana fasimainty ataon'ny Base Toliara, noho ny savahao ataon'ny mpitandro ny filaminana azy ireo. Ireto olona miery sy miafina ireto, dia sokajian’ny andaniny ho dahalo. Ankilany, natsangana ho Fikambanana ara-panjakana ny Voromahery izay mankasitraka ny tetikasa, nambara fa hiady amin’ny tsy fandriampahalemana, ary ny mpitandro ny filaminana no manofana azy ireo. Ampiasaina ho mpanome loharanom-baovao mikasika ireo mpanohitra ny tetikasa. Tamin’ny fidinana ifotony tany an-toerana, dia nanamafy ny fiarahamonina, fa mbola misy olona maro avy amin’ny Fikambanana Mazoto voatery miery sy miafina any anaty ala vokatry ny fanenjehana amin’ny fanoherana ny tetikasa lehibe Toliara, ary tena nilaza sy nanasokajy azy ireo ny avy amin’ny Voromahery nohadihadiana. Orinasa Amerikanina no nividy ity tetikasa ity, ary anatin’ny fifandresen-dahatra mikasika ny AGOA (African Growth and Opportunity Act) izay nitondrana ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany fa manana ireo harena stratejika ilain’i Etazonia no miseho ny rotaka nisiana faty olona. Mbola mampametra-panontaniana foana hoe : hanao ahoana ny antoka amin’ny fisian’ny fitoniana maharitra na « Millenium Security Partenership » mikasika ity tetikasa ity izay misy ny lafy tsara ara-toekarena fa mety misy ihany koa ny lonilony goavana tsy voalamina izay porofo mivaigana izao miafara amin’ny faty olona izao.
SOKAJIANA HO DAHALO…
Andaniny, kidnapping nataon’ireo andian-jiolahy raindahiny no niteraka savorovoro, hoy ny Fanjakana. Nisy fanambarana nataon’ny OMC (Organe Mixte de Conception). Niparitaka tamin’ireo pejin-tserasera mpaohana ny fitondrana fa dahalo miisa folo mahery mirongo basy sy fitaovam-piadiana no nanafika naka olona ankeriny tao Saririaky Ankilimaliniky io sabotsy io tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro. Olona telo no nambara fa lasan'ireo lazaina fa jiolahy raindahiny ary nodarohana sy nanaovanan'izy ireo herisetra maherivaika ireto olona ireto izay vao noentin'izy ireo nitsoaka any anaty ala. Nambara fa nahazo « alerte » avy tamin'ny sefo fokontany Saririaky ireo mpitandro filaminana tao Benetse, izay avy hatrany dia nanao ny fanarahan-dia ireo mpitandro filaminana niaraka tamin’ireo solon-tenan'ny andrimasom-pokonolona Voromahery ao amin'ny Kaominina Ankilimaliniky. Rehefa tonga tany anatiny ala makany Ampasimaniliky dia nisy barazy napetrak'ireo Jiolahy tao, teo am-panesorana ny barazy ireo zandary no nitifitra tamin'ny basim-borona « fusil de chasse » sy nitifitra folesy, ary nitora-bato ireo jiolahy. Raikitra ny fifandonana ka zandary iray no naratra ary maty voatifitra tamin'ireo jiolahy. Mbola lasan'ireo Jiolahy ireo olona roa tamin'ireo otage raha tafaporitsaka nitsoka avy any anaty ala ny iray ka efa tafaverina antanàna ary efa ataon'ny Zandary famotorana, hoy ny vaovaom-panjakana, izay nilaza fa tsy misy ifandraisany amin’ny Base Toliara ny tranga niseho fa asan-jiolahy, fanafihana sy « kidnapping » izay efa fataon’ireo jiolahy rain-dahiny mpikambana ao amin’ny Mazoto. Sokajiana ho dahalo izany ny Mazoto izay manohitra ny Base Toliara, ary olom-banona ny Voromahery izay manohana ny tetikasa ?
TSY EKENAY NA HO VY NA HO VATO
Namoaka fanambarana ny Fikambanana Mazoto manoloana ity zava-misy ity. "Tsy hanaiky mora izahay fa haterinay ao an-tranony ben'ny tanana io razana io ary angatahana ny ben'ny tanana hitondra fanazavana ny atony itifirana ny mpiray tanidrazana aminay. Mpitandro ny filaminana any an-toerana no nahafaty an'i Benesisy sivily », hoy izy ireo. « Tsy ekenay na ho vy na ho vato, ny harenanay eto entina any an-dafy ? Fiarovan-tany no mahafaty olona. Inona no « ordre de mission » an’ireo miaramila ireo tonga eto. Tifitra no atao, tany misy Fanjakana ity dia tifirinao, olona mivory dia tifirinareo, fa tsy mba olona tratra any ambalana omby. Tsy ekenay na ho vita na ho vato. Fanananay no alainareo hamonoana, na hovonoinareo eto aza izahay ka tsy misy misy manaiky anio eto, atao ren-tany ren-danitra ary ampitao any. Ajanony io Base io ! », hoy ireo Masikoro. Milaza ireo tsy mankasitraka an’io fa efa niriana hatry ny ela io ny hamono olona avy amin’izy ireo ka afa-po izany ny andaniny fa nahafaty anay, hoy izy ireo. « Ho anareo Fanjakana, ho anareo miaramila, asio fanajana ny fiarahantsika ! Ianareo natao hiaro anay, fa tsy hamono anay, kanefa sahinareo ny mamono sy mitifitra anay. Mampalahelo satria atao tsinontsinona ny vahoaka madinika, taninay izay tsy omenay no hamonoana anay », hoy ny ao amin’ny Fokontany Benetsy. Miantso sy manaitra ireo Malagasy manam-pahaizana sy mpila ravinahitra, vato nasondrotry ny tany mba hiara-hiady ho azy ireo ny mponina, izay nanamafy fa tahiry ara-boajanahary sy ara-tontolo iainana ny ao Ranobe, ka tsy tokony vazaha no hampamono vahoaka miaro ny taniny. Tsy mbola voalamina ny lonilony goavana ary izao miafara amin’ny faty olona izao ? Tena hahavaha olana ve ?
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»