airtel

Actualités

27-janv-2025

Nanaiky hanao ampamoaka depiote teo aloha Tsabotokay

« Fifampiarovana amin’ny ratsy no olana tao, tsy antenaina ny HCJ…»

Sample post image

Efa manodidina ny 6 taona teo no nitsanganan’ilay rafi-pitsarana ambony na HCJ hitsara

27-janv-2025

ireo olona ambony eto amin’ny Firenena. Malaza tsy hihinana anefa ilay rafitra, ary tsy misy vokany hatramin’izao. Niezaka ny teto amin’ny Gazety Tia Tanindrazana nanontany sy naka ny hevitry ny Solombavambahoaka teo aloha voafidy tany Vohipeno Atoa Tsabotokay Honoré efa Filohan’ny vaomieram-piampangana teo anivon’ny Antenimierampirenena na « Ex-Président de Commission de mise en accusation au sein de l'assemblée nationale ».
Filohan'ny vaompieram-pamoiangana teo Tsimbazaza ianao, nisy firy ireo dosie tonga teo aminareo ?
Tsabotokay H. : Roa ambin'ny folo ny dosie nodinihinay nahasaringotra olona ambony. Resaka fanodinkodinana tsenambarom-panjakana sy volam-panjakana, sns
Tsy nisy vokatra ny HCJ hatramin'ny nananganana azy, satria tsy nisy tafavoaka tao amin'ny vaomiera ny hanohizana ny fanadihadiana. Nisy tsindry avy amin'ny « exécutif » ve ny antony sa ianareo depiote no nifampiaro ?
Tsabotokay H.: Tsy nisy tsindry na tamin'iza na tamin'iza mihitsy ary sahiko ijoroana izany fa mifampiaro samy ratsy no antony. Misy matahotra sao mba izy no ho tratra rahampitso. Manaraka izany ny fomba sy ny pitsopitso-dalàna hanatanterahana azy amin'ny fivoriana itambarambe (séance plénière) tena olana satria mitaky ny antsasamanila. Izahay tao amin'ny kaomisionina efa vita ny fanapahan-kevitra. Ny loza dia avadiky ny sasany resaka hoe : "côtier" daholo ny ankabeazany. Aza manantena vokatra amin'io raha mbola io rafitra io. Marihiko fa tsy ity fanjakana ity no nitory ireo olona ireo fa ireo taloha.
Mety ho antony tsy nahavoafidy anao ho depioten'i Vohipeno ve io tranga io ?
Tsabotokay H: Antony hafa mihitsy ny tsy nahalany ahy. Iaraha-mahafantatra ny "système électoral" eto sy ny tontolo politika. Aza adino fa Coordonnateur Adjoint tamin'ny Justice et Paix aho taloha teo anivony Diosezin’i Farafangana ary mpanao gazety no mpampianatra. Maro zavatra haiko momba io "système" io ary nanananay porofo fa tsy misy idirany resaka HCJ.
Aminao, ilaina ve ny HCJ sa rafitra mampitombo isa ny tsimatimanota fotsiny.
Tsabotokay H: Manahirana ihany ity HCJ ity satria lasa manao asan'ny fahafehana mpitsara ihany izy amin'ny ankapobeny. Mitovy amin'ny CIAD toa mitsabaka amin'ny asan'ny mpanantanteraka ihany koa. Izaho aloha tsy manantena vokatra amin'io HCJ io raha mbola ireo teboka voalaza eo aloha no mibahana ao. Efa niteny an'io aho raha nataon'ny RFI interview sy Radio Antsiva fa tsy itako izay ilana azy io. Henatra ihany no tsy nametrahako fialàna tao fa noheveriko fa fanavotan'Andriamanitra ahy satria nifanandrify tamin’izaho tratry ny Covid-19 no voafidy nefa ... Mifona amin'ny vahoaka Malagasy fa tsy nahatanteraka ny adidy nankinina taminay mpikambana ary nefa na izany aza dia mivavaka ho an’ireo birao vaovao mba hahatanteraka ny adidindreo soamantsara. Marihiko fa tsy misy tambikarama manokana ny Commission de Mise en Acquisition de la Haute Cour de Justice.
Nangonin’i Jean D.
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap