tamin'ity taona ity satria noheverin-dry zareo fa tompondaka i Botswana amin'ny ady amin'ny fiivaovan'ny toetr'andro, hoy ny Pr Jonah Ratsimbazafy, fanta-daza eo amin’ny seha-pikarohana momba ny zavaboahary. “Delegasiona mafonja no niaraka tamin'ny Filohampirenena Botswanais tonga nandray anjara fitenena tato amin’ny International Conference Center eto Gaborone. Nasehon'ny Filoha sy ireo Minisitra maro niaraka taminy izay nandray anjara fitenenana fa miaro ny tontolo ry zareo ary tsapanao izany amin'ny fomba fitantanany”, hoy izy. Notsipihiny kosa fa anisan'ny nasaina hanatrika ihany koa ny fitondrana Malagasy fa namaly hoe tsy ho avy ka ny tenany irery no Malagasy ao anatin’ireo manatrika 500. Ny tenany izay nosafidian’ny mpiandraikitra ny NAP expo 2022 Nations Unies hiteny na “keynote speaker” hitondra hafatra momba ny fiovaovan’ny toetr’andro sy momba ny “lémuriens” ary ny “émergent conservation leaders”. “Raha ny hafatra nampitain’ilay Rtoa tanora avy any Bangkok keynote speaker niteny androany dia nozarainy ny lalana sarotra no nandehanany kanefa tena anisan’ny nanova firenena mihitsy izy. Sady nahafinaritra ny nihaino azy satria anisan’izay nahazo fankasitrahana iraisam-pirenena izy tamin’ny ezaka nataony. Tsotra ny hafatra nomeny hoe tsy mila miandry ny “generation” mbola ho avy isika raha hanova izay tsy mety ankehitriny. Malagasy aho no miteny rahapitso kanefa tsy ny fitondrana Malagasy no nandefa ahy aty fa fanasan’ny Firenena Mikambana. Noho izany dia tsy misy tatitra ataoko ho amin’ny mpitondra kanefa maro be ireo zavatra tsara azo hifampizarana sy tokony ho fantatry ny Fitondrana any Madagasikara izay miseho aty”, hoy I Pr Jonah Ratsimbazafy. Nambarany fa Fihaonambe iraisam-pirenena no atao ka na misy na tsy misy Malagasy nanatrika tamin izao fihaonambe iraisam-pirenena izao dia mila fantatry ny Malagasy rehetra ka ezahiko ampitaina amin’ny fomba tsotra sy mazava ny taty rehefa mody, hoy izy… Rehefa miteny amin sehatra iraisampirenena toy izao moa dia izao foana ny ato antsaiko hoe Tsy hanala baraka ny tany nihaviako aho satria vao mijoro amin ny sehatra iraisam-pirenena toy izao dia tsy maintsy izay firenena nihavianao no jeren’ny olona aloha, hoy ity manam-pahaizana Malagasy isan’ny reharehan’ny firenena ity.
Notsipihiny fa gaga ihany ny mpikarakara ny noho ny filazan’i Madagasikara fa tsy ho avy kanefa fivoriana indroa miantona no natao tao Antananarivo tao anatin ireny COVID nafana ireny, ary nahavita ny “documents Planning” momba ny NAP Expo i Madagasikara nefa niteny fa tsy ho avy... Dia ry zareo no niteny hoe fantatry ny Filoha sy izay tompon’andraikitra (Minisitra) ve hoe tsy handray anjara aty i Madagasikara ? hoy ny Pr Jonah Ratsimbazafy.
Toky R
Mahatratra 305 miliara Ar ny faktioran-jiro sy rano tsy voaloan’ny Fanjakana amin’ny Jirama amin’izao fotoana izao. Ny MPEF (Mémorandum de Politique Économique et Financière)
Efa niverina amin’ny laoniny ny famatsiana sy fanamboarana pasipaoro eo anivon'ny polisim-pirenena rehefa
Nous sommes 8 milliards, stop ou encore” na hoe: “8 miliara isika izao, hoferana sa hotohizana ihany ? ”,
Nivoaka tamin’ny gazety an-tsoratra iray teto an-drenivohitra andro vitsy lasa izay fa namidin’ny Ben’ny tanànan’Ambohidratrimo ny ampahan’ny tanin’ny CEG ao an-toerana.