airtel

Actualités

09-oct-2024

Nifarana ny kilalao

Mamaivay noho ny teo aloha indray ny delestazy

Sample post image

Nifarana ny kilalao tamina fahitalavitra tsy miankina iray, izay ana loholona iray eto Madagasikara

09-oct-2024

ny alahady teo. Fotoana izay nampametra-panontaniana ny mpanara-baovao maro moa hoe noho izay antony izay ve no tsy nanapahana ny herinaratra mihitsy na dia kely aza tamin’iny fotoana iny? Raha misy antony hafa dia inona? Miandry ny fanazavana tena maha resy lahatra ialàna amin’ny ahiahy rehetra moa isika amin’izao fotoana izao na izany na tsy izany. Ny zava-misy tsy azo lavina moa dia hoe nifarana ny kilalao iny dia mamaivay noho ny teo aloha indray ny delestazy aloha, raha ny hita omaly talata. Ny tamin’ny alatsinainy teo aza mbola azo lazaina hoe zakazaka. Efa ho adin’ny 12 fara-fahakeliny, raha atotaly izany ho an’ny teto an-drenivohitra aloha. Ny an’ireo manodidina an’Antananarivo sy any amin’ny faritra moa efa tsy lazaina intsony. Ny fanazavana moa dia heverina fa tsy maintsy hisy hatrany avy amin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny raha mba hanome izany ho an’ny haino aman-jery rehetra tsy an-kanavaka, fara faharatsiny, izy ireo fa ny tena andrasana kosa anefa ao anatin’izany rehetra izany dia ny tena vahaolana maharitra manoloana azy ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap