Nitrangana toe-javatra mampalahelo tao amin'ny Fokontany Ambohimandamina, Mahajanga renivohitra omaly Alatsinainy 14 Jolay. Renim-pianakaviana iray no nahavita saika hamono hahafaty ny taolan-tehezany rehefa nikasa hisaraka taminy ity farany. Antsy no nampiasainy tamin'izany izay saika ha-nindromany ny fony mihitsy saingy nisolifatra izany ka ny tananan'ilay Rangahy no voa. Tia misotro toaka loatra io Ramatoa io ka tsy zakan-dRangahy. Tsy nitsahatra ny nananatra mantsy izy saingy tsy nisy fiovana mitsy Ramatoa hany ka tapa-kevitra ny hiala Rangahy. Niantso ny rafozam-baviny ity farany ka nilaza fa hisaraka amin-dRtoa vadiny. Natao kit main libre ny finday nandritra izany ka nitso-drano ilay lehilahy ny fianakaviana. Teo no nitsiry ny fikasan-dratsin'ilay Ramatoa ka namoahany vava fa tsy misy misaraka izany eo fa na izy maty na ilay Rangahy vadiny maty. Tsindron'antsy teo amin'ny fon'ilay Rangahy avy hatrany no nasetriny izany. Voatohina tamin'ny tanana anefa ilay antsy ka izao nihafara tamin'ny fahatapahany ratsan-tanan'ilay Rangahy vadiny izao. Voatery nentina nanatona hopitaly mihitsy ny anaolahy.
Nangonin'i Pati
Légende : Voatery nozairina tahaka izao ny ratsan-tanan'ilay Rangahy !