tompon’ny orinasa Cotisse etsy Ivato, izay misy tetikasa lehibe fananganana «Centre Commerciale », rehefa voalaza tsy maintsy holalovan’ny làlam-baovao mampifandray an’Ivato sy Andranotapahana. Nanao be fiavy ny avy amin’ny Minisiteran’ny asa vaventy nitondra ireo fitaovana goavana fandrodanana niaraka tamin’ny andiana mpitandro filaminana an-jatony. « Androany maraina, tonga teto amin’ity tanànanay ity ny « force », tonga dia nandrodana ny tanàna rehetra, ka anisany ny trano lehibe iray vao naorina, saingy notrongisina hatramin’ny farany », hoy Rtoa Rasoambolanoro na Mme Noro mpandraharaha tompon’ny toerana nitantara. Tsy voafaritra hatrany am-boalohany fa holalovan’ilay tetikasa ity toerana ity, kanefa nivadika tampoka izany. « Tamin’ny voalohany, nandefa vadintany na « huissier » izahay, ary nisy ny « tracé» na sori-dàlana mazava mikasika ny làlam-baovao. «Tracé » iray ihany no nomen’ny Minisitera ny vadin-tany tamin’izany, ary tao ambadika tao misy tanimbary ny làlany. Ankehitriny anefa tonga dia lasa manavatsava aty amin’ny tetikasanay daholo. », hoy i Mme Noro. « Tamin’ny 8ora alina no voaraiko avy amin’ny mpiambina, ary ny maraina izy tonga nandrodana ka tsy fantatro intsony raha araka ny lalàna izany sa tsia », hoy hatrany izy.
MIANTSO VONJY AMIN’NY FILOHA
Efa nangataka fihaonana tamin’ny Filoham-pirenena ny tenany fa tsy nety voaray. « Izaho Atoa Filoha dia olona tsotra, Malagasy mitovy aminao aho, naniry ny hihaona aminao kanefa tsy noraisinao, ka indrisy tonga amin’izao zava-misy izao, fa raha mba nandray ahy ianao nihaino hoe : iza marina aho ? inona ny zavatra hataoko ? Ary inona no « ambition »-ako ao anatin’izao mety nisy zavatra mba afaka nohenoinao sy noraisinao ihany taty amiko. Milela-paladihy aminao aho », hoy Rtoa Rasoambolanoro tamin-dranomaso. Nanamafy izy fa Malagasy ary mba te hitondra zavatra ho an’ny Firenena, ary raha ny fari-piainany dia tsy hoe mpanefoefo fa ny nanaovany ny tetikasa dia vola nalaina tamin’ny banky. « « Centre Commerciale » lehibe no hatsangana eto, hitrotroko trosa am-polo taonany, saingy hitondra asa ho an’olona maro be, betsaka ny hisitraka ny toerana, betsaka ireo tanora nofanina, ka mamerina hatrany ny fitarainana. Amin’ny maha olona kely anay, dia tsy «entreprise » no nampanaovina ny tetikasa, olona 300 no karamanaina isan’andro satria fifaliana ho anay ny mba mifanampy », hoy ity renim-pianankaviana ity. Raha nanontaniana mikasika ny fanonerana eo anatrehan’ny fandravana moa ity mpandraharaha ity dia naneho, fa tsy mbola nisy na venty sy korobo aza azon’izy ireo eo. Naneho ny alahelony moa ity renim-pianankaviana fa izao vao tonga saina hoe : nahoana no maro ny Malagasy no tsy te hijanona eto sy misafidy hiasa sy honina any ivelany satria na eto an-tanindrazan’ny tena aza dia mahatsiaro ho tsy misy mpiaro.
Toky R
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny