tamin’ny filoham-pirenena teo aloha, Andry Rajoelina, hoe "Ampy eky zay" sady nandohalika no latsa-dranomaso, hoy ny tati-baovao voaray, raha tsiahivina. Iray volana mahery izao no lasa fa mbola ao amin’ny fonjan’i Nosy Be ity mpanjaka vavin’ny Salegy ity, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Ankehitriny dia tsy afaka manohy ny fitsaboana intsony izy ary miha ratsy ny toe-pahasalamany, hoy ny tatitry ny fianakaviany. Noho io tsy fahasalamany io dia nangataka toerana mba tsaratsara izy ka neken’ny lehiben’ny mpiandry fonja (CE) izany. 4 andro taorian’io anefa dia nisy baiko hafa indray nomen’ilay “Adjoint CE” na lefitry ny fitantanana ny fonja fa hoe fa mila averina amin’ny toerana nisy azy izy. Talanjona Izahay hoe ho vonoina ve ny havanay ity sa inona no tena tian’ny fanjakana atao aminy, hoy hatrany ny fianakaviana? Tsy misy fifonana ohatran’iny nataon’i Wawa iny satria latsa-dranomaso mihitsy izy kanefa dia vao manika ampijalian-dreo i Ninie Donia, hoy izy ireo. Tianay ho fantatra hoe baikon’iza loatra no arahin’ireo mpiandry fonja? Avy aiza no milaza izany tsy fahazoany manao “traitement” na fitsaboana izany sy ny antony namerenana azy amin’ny toerana nisy azy teo aloha izany?.Tokony sahy manao an-tsoratra izany baiko izany ny olona ao ambadik’izao fampijaliana an’i Ninie Donia izao, hoy hatrany ny fianakaviana. Tsiahivina moa fa tao anatin’ny fipoahan’ny raharaha Romy voos Andrianarisoa no nielezan’ny vaovao ihany koa fa nahazo ny famotsoran-keloky ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, ity mpanakanto ity. Nazava ve izany fa serasera nanodinana saim-bahoaka fotsiny izany tamin’ireny fotoana ireny?
J. Mirija
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny