airtel

Actualités

30-avril-2025

Niravina ny olan’ny tsena ao Antehiroka

Nifanekena ny hampidirana ny mpivarotra rehetra anaty tsena

Sample post image

Taorian’ny tsy fifankahazoana teo anivon’ireo mpivarotra sy ny ben’ny tanànan’Antehiroka,

30-avril-2025

Toky Harilanto Andrianarivelo, dia nilaza ny solontenan’ireto mpivarotra ireto fa maneho fisaorana ny ben’ny tanàna izy ireo noho ny fanekeny hihaino ny hetahetan’izy ireo. Nifanarahana, hoy ireto mpivarotra ireto, fa ho ampidirina anaty tsena avokoa ny mpivarotra rehetra fa tsy misy mahazo mivarotra intsony amoron-dalana. Ekena ny tsy hisiana mpanelanelana ny tsena toy ny mpivarotra lamba aty ambadika sy mpivarotra voankazo amin’ny sisin-dalana. Miara-miditra anaty tsena ny mpivarotra rehetra. Angatahina, hoy hatrany ny solontenan’ireo mpivarotra, ny tsy hanisiana sendikan’ny tsena intsony fa aleo ny ben’ny tanàna no sady lehibenay no reny mpiahy anay. Angatahana ny handravana ny tsena ambony rihana mba hahafahan’ny rehetra miditra sy hampazava ny tsena. Tsy nahitàna vokany, hoy izy ireo, ny fisian’ny fikambanan’ny mpivarotra hatramin’izay fa miteraka savorovoro eo amin’ny samy mpivarotra. Raha misy grevy dia ny lehiben’ny tsena no mitondra tatitra any amin’ny kaominina. Rehefa nandeha ny nefa ny fandaminana mikasika ny kaominina teo dia tsy nahazo vaovao marina mihitsy ny mpivarotra. Misy ny mbola nivarotra amoron-dalana, misy ny tsy nivarotra. Tsy nekenay izany, hoy hatrany izy ireo, satria mampalahelo ireo tsy afaka nivarotra. Niara-nanamafy moa ny teo anivon’ny kaominina sy ireto mpivarotra ireto fa nifanekena ny hampidirana ny mpivarotra rehetra anaty tsena.
Nangonin’i J. Mirija

 

Dans la même rubrique

15-déc-2025

Nanao ampamoaka sy nanazava ny

Card image cap
15-déc-2025

Nisy ny fihaonana ara-panjakana izay

Card image cap
12-déc-2025

Nitsangana ny vaomiera mpanadihady

Card image cap
12-déc-2025

mbola miantehitra amin’ny frantsay»

Card image cap
12-déc-2025

rehefa tsy ampy solaitra ny maro an'isa"

Card image cap
12-déc-2025

Tandindonin-doza ireo tantsaha

Card image cap