airtel

Actualités

16-mai-2025

NISANDOKA HO MPIASAN’NY JIRAMA

Efa nahazoany 6 tapitrisa Ar mahery ilay tompona ozinina

Sample post image

Mitady ny fomba rehetra mba hahazoany vola mihitsy ny mpisoloky amin’izao.

16-mai-2025

Lehilahy iray 30 taona, gestionnaire de site ao amina Société iray monina ao Ambodivona Fiadanankely kaominina ambanivohitr’i Mahitsy no tratra nisandoka ho mpiasan’ny JIRAMA tany amin’ny Talata Volonondry. Raha tsiahivina kely ny tantara dia roalahy izy ireo no nitonona ho mpiasan'ny JIRAMA, niditra an-keriny tao amin'ny ozinina fitotoam-bary tao Avaratsena Talata-Volonondry ny 10 Janoary lasa teo.Tsy tao ny tompon'ny masinina fa mpiasa fotsiny nandritra ny fotoana nandalovan’ireo mpisoloky ka avy hatrany dia niditra an-keriny izy ireo ary nizaha ny kaontera.Nisy zavatra nokitihiny tao fa niendaka ny sisiny havia amin'ilay takelaka hazo ipetrahan'ny kaontera."Misy tsy milamina ny kaonteranareo hoy izy roalahy fa aiza ny patron anareo ka nentina tany an-tsena misy ny patron izy ireo. Mbola naverina tamin’ilay Madama ihany izany fa tsy milamina ny kaonterany ka ho tapahin’izy ireo avy hatrany eo amin'ny fotony ny jiro. Tsy ho afaka hiasa intsony ny orinasanao ary hanaovanay rapport izany hoy hatrany ireo mpisoloky.Raha mbola niezaka nanazava ilay Madama dia niantso olona tamin'ny finday izy roalahy izay voalaza hoe : Tale ao Ambohijatovo ary namerina ny fampihorohoroana voalazan'izy roalahy. Ho tapahina avy hatrany ny jiro. Ho entinay any Antananarivo ianao. Higadra 5 taona ary handoa lamandy 30 tapitrisa ariary. Nandravon-dresaka indray anefa izy ireo taorian’izany fa raha mandoa ny antsasak'izay ilay Madama dia milamina ny afera.Naloa ny 6.200.000 ariary vokatr’izany. Varin'olona amin'ny taonina maro mantsy no tsy ho voatoto, ary hikatona ny orinasa mamelona olona maro raha tsy natao izany.Taorian'izay anefa vao nandeha ny saina nanontany ireo mpiasa momba ny fihetsik'izy roalahy ary nanadihady ny manodidina ka napetraka fitoriana tao amin'ny zandary ao amin’ny Borigadin’i Talata Volonondry ny fitoriana. Rehefa natao moa ny fikarohana dia fantatra ny iray niditra nikitika ilay kaontera, niresaka tamin'i Madama sy nitazona ilay finday hiantsoana an'ilay lazaina fa tale ary nosamborina. Mbola tratra tao aminy avokoa ny akanjo sy ny pataloha nanaovany nandritry ny asa fisolokiana, sy ny finday REDMI III gris nampiasainy.
Pati
Legende : Ity ilay mpisoloky !
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap