airtel

Actualités

26-août-2022

Actualités

Nitombo 18,8% ny fandaniana solika Mitombo ny volan’ny “FR”, làlana anefa potika

Sample post image

Nahatratra 609.995 m³ ny solika lanin’i Madagasikara tao anatin’ny 6 volana (janoary-jona) voalohan’ity taona 2022 ity, izay voalaza fa nisy fiakarany 18,8% mitaha amin’ny tamin’ny taon-dasa nandritra ny vanim-potoana nitovy, izay 513 612m³.

26-août-2022

Ny antontan’isa navoakan’ny Ofisim-pirenena misahana ny akoran’afo (OMH), notsoahina avy amin’ny tatitry ny Ivon-toeram-pirenena momba ny antontan’isa (INSTAT), araka ny voarakitra ao anatin’ny fafana momba ny toekarena n°48. Ny 312.963 m³ amin’io dia gazoala avokoa izay nisy fiakarana 28,4% teo. 86.339m3 ny lasantsy, izay nitombo 13,5% ny fandaniana, ary 26.166m3. kosa ny solika fandrehitra raha 17.638 m³ teo aloha izany hoe 48,8% ny fiovana. Tombanan’ny OMH hiakatra hatrany amin’ny 7,6% ny tsenan’ny solika mitaha ny tamin’ny 2021. Azo lazaina ho miverina amin’ny laoniny ny toe-draharaha ara-pahasalamana ary miakatra manaraka izany ny fampiasana solika, raha nilatsaka tao anatin’ny roa taona noho ny fihibohana. Tsara ny manamarika, fa isaky ny mividy solika, dia misy ampahany makany amin’ny kitapom-bola momba ny fikojakojana ny làlana na ny FR (Fonds Routier) izay marihina fa FER (Fonds d’Entretien Routier) teo aloha, saingy novain’ny Fanjakana Rajoelina. Raha ny fanazavana efa nentin’ny mpandinika iray, 37% amin’ny vidin’ny lasantsy no makao amin’io. Hatramin’ny volana jolay, mbola 4100Ar ny lasantsy izany hoe 1506Ar amin'ny vidiny namarotana azy nakao amin’ny FR. 956Ar tamin'ny vidiny amarotana 3400Ar ho an’ny gazoala. Nitombo ny fandaniana solika, nitombo ny vola niditra amin’ny Fanjakana, saingy tsy arakaraka izay ny fikojakojana ny làlana. Mampikolay ny ankamaroan’ireo làlam-pirenena. Tsy voaloa ny karaman’ireo orinasa nikojakoja ny làlana. Volabe hatrany amin’ny 546 miliara Ar voalaza fa nisy nanodinkodina ka izay no mahatonga izao tsy fihetezana rehetra eo amin’ny sehatry ny làlana izao? Toa fampandriana adrisa no betsaka hoe: mandeha ny antso tolo-bidy, eo am-panaovana tombana amin’ny fanamboarana ny làlam-pirenena.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap