airtel

Actualités

29-oct-2025

Nitsangana ny Vondrona C2RAR

« Tsy ekena intsony ny

Sample post image

etat unitaire centralisé »,

29-oct-2025

takiana ny fizakantenan’ny Faritra »
Nitsangana ny Vondrona C2RAR (Cercle de réflexion pour la refondation en vue de l’autonomie des régions) na “Seha-pandinihana ny fanorenana ho an’ny fizakan-tenan’ny faritra”. Araka ny fanambarana novakian-dRtoa Eliana Bezaza, tsy manaiky intsony ny “Etat unitaire centralisé” ho rafitra fitondram-panjakana eto Madagasikara izy ireo. Mijoro ho “groupe de pression” mitaky ny fizakan-tenan’ny faritra. Hoy izy ireo: “Firenena midadasika i Madagasikara ka tsy mahasahana ny fampandrosoana mirindra ny rafitra ankehitriny.” Tao anatin’ny 65 taona, 10%-n’ny mponina monja no misitraka jiro, rano, lalana. Ambany ny tahan’ny fampianarana sy fitsaboana, marefo ny fahasalamana. Manome vahana ny sitrapon’olom-bitsy ny rafitra ka manitsakitsaka ny tombotsoan’ny maro. Ohatra noraisin’ny C2RAR ny fitrandrahana harena voajanahary: na ambony, na ankibon’ny tany, na an-dranomasina, izay miainga avy amin’ny faritra, nefa tsy misy tamberim-bidy mazava ho an’ny faritra. Ny vahoaka tompon-trano miono foana, fa ny olom-bitsy eo amin’ny fitondrana no migoka ny maminy. Notsiahivina ny fitrandrahana vy tao Soalala tamin’ny tetezamitan-dRajoelina: nalaina ny harena, fa vovon-drano iray aza tsy nositrahan’ny vahoaka. Vokatr’izany, ny mpitondra be kibo hatrany, fa ny vahoaka mahantra dia mahantra foana. Amin’ny C2RAR, mila rafitra ahafahan’ny vahoaka misitraka mivantana amin’ny alalan’ny tamberim-bidy mazava ny harena miainga avy amin’ny toerana misy azy. Raha ny “droit constitutionnel” no jerena, ankoatra ny “Etat unitaire”, misy ny “Etat fédéral” sy “Etat régional”. Efa nisy teto Madagasikara ny Province autonome. Tsy mitonona ho iray amin’ireo anefa ny C2RAR satria tsy te hanao “copier-coller” amin’ny rafitra tandrefana. Miroso amin’ny fikarohana ny rafitra tsaratsara kokoa izy ireo, mifanaraka amin’ny fisainana, kolon-tsaina, fomba aman-panao ary soatoavina malagasy. Ohatra tsotra: misy lalàna mamaritra ny fihariana sy ny varotra, nefa ny “économie parallèle” sy tsy ara-dalàna no manjaka. Amin’izy ireo, tanjona ny fandrafetana rafitra fitondram-panjakana izay mampizaka tena na faritra, na faritany, araka ny tapaky ny be sy ny maro. Rafitra ahafahan’ny eny ifotony mandray andraikitra ara-bola, ara-panapahan-kevitra sy ara-pitantanana. Izany dia avoaka anatin’ny iray taona, mba hampahafantarana azy amin’ny vahoaka alohan’ny fifidianana lalàm-panorenana manaraka na “élection constitutionnelle”. Miantso ny mpiray tanindrazana rehetra mankasitraka izao hevitra izao ny C2RAR mba hivondrona, hanatevin-daharana sy hampatanjaka ny vondrona. Tanjon’izy ireo ny hampanjaka sy hampandresy ny fanovana andraindrain’ny rehetra, eny hatramin’ny mpitolona teny amin’ny kianjan’ny 13 mey. Nametraka laharana an-tariby sy mailaka izy ireo: 0340624792 – C2RAR@gmail.com ho an’ny fifandraisana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

06-févr-2026

politika sy mpitondra ny mitandrina vava tsy ambina!»

Card image cap
06-févr-2026

amin'izao Fitondrana izao

Card image cap
06-févr-2026

ny famerenana ny tan-dalàna ny Maorisianina

Card image cap
06-févr-2026

noraisina ny masoivoho vaovao

Card image cap
06-févr-2026

Nampiana 1,82 tapitrisa hekitara ny faritra arovana vaovao

Card image cap