airtel

Actualités

24-oct-2023

Actualités

Nivoaka ny fonja I Haingo Paradis Miantso ny rehetra hiady amin’ny fahantrana

Sample post image

Taorian’izay 6 volana nitazomana azy am-ponja izay dia nahazo fahafahana vonjimaika ilay mpandinika

24-oct-2023

 fiarahamonina sady mpisehatra sosialy, Haingo Paradis, raha ny nambarany tetsy amin’ny Restaurant Tsika Ambohijatovo omaly. Ny 17 novambra izao kosa no andeha ny fitsarana azy. Nisaotra ireo rehetra nanohana sy nitrotro am-bavaka azy tao anatin’ny fotoana sarotra nodiaviny izy, indrindra, ny FFKM izay nitaiza azy ara-panahy tany am-ponja. Fanontaniana, hoy izy, no napetrako tanatina fahitalavitra tsy miankina iray ary izay no antony nisamborana ahy ka nidirako am-ponja vonjimaika ny 29 aprily teo. Notsaraina aho taorian’izay ary dia nangataka fanemorana izany fitsarana izany ho amin’ny 17 novambra moa ny minisiteran’ny fahasalamana. Zava-dehibe ny fifamelana ary dia namela heloka avy hatrany ny tenako. Miantso ny mpiray tanindrazana mba ho tony satria tsy mora ny lalovana. Saika noho ny fahantrana avokoa no nampiditra ny malagasy any am-ponja. Maika dia maika ny fanarenana ny lafiny sosialy. Mila asa ny vahoaka. Hijoro ho olompirenena tomponandraikitra ny tena manomboka eto ary hanangana ny Haingo Paradis Madagasikara izay hiantsoana ny tsy an’asa rehetra manerana an’i Madagasikara. Efa mitsangana ny any Toliara sy Antsiranana. Ny eto Antananarivo ihany koa. Miantso ny rehetra tsy an’asa sy ireo mikarama latsaky ny 500.000 Ariary mba hivondrona hiady amin’ny fahantrana. Ny fampananan’asa ny tanora no tanjona, hoy hatrany i Haingo Paradis sy ny ekipany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap