airtel

Actualités

09-août-2022

Actualités

Noho ny “e-toroka” an’ny Jirama “Efa nisy tratra ireo mpangalatra herinaratra”

Sample post image

Hatramin’ny nametrahana ny sampana manokana “e-toroka”, nilaza ny Jirama fa afaka namantatra ireo mpangalatra herinaratra marobe, toy ny teny 67Ha,

09-août-2022

tany Avaradrano, teny Sonierana, ka araka ireo fisesiny ireo dia tokantrano tsotra, famonoan’omby, ary orinasa lehibe no nahitana izay hosoka izany raha ny tatitry ny Jirama. Nanao antso avo ho an’ny mpanjifa hitoroka hatrany ireo mpanao hosoka moa io orinasa io, izay efa nitatitra iray volana teo izay fa mahatratra hatrany amin’ny 200 miliara Ar ny faktiora tsy voaloan’ny mpanjifa ary manodidina ny 100 miliara Ar isan-taona ny halatra herinaratra, 370 miliara Ar ny trosa tsy voaloan’ny Fanjakana,… Nambara fa isan’ny miantraika any amin’ny mpanjifa ny halatra herinaratra, miteraka fahasimbana maro sy tsy fiodin’ny fitaovana mpihary sy mpamatsy herinaratra araka ny tokony ho izy. HENJANA NY FAHATAPAHANA TAO ANTSIRABE Eo izay lesoka noho ny halatra izay, fa isaorana ny Jirama kosa ny tsy dia fisian’ny fahatapahana firy intsony amin’ny atoandro. Na izany aza, mbola mampitaraina ny maro ny delestazy, tahaka ny omaly hariva, izay tao anatin’ny fanarahana ny lalaon’ny ekipam-pirenena amin’ny taranja basikety mihitsy no tapaka. Ny tany Antsirabe, ny sabotsy nanomboka tamin’ny 9ora maraina hatramin’ny alahady tamin’ny 01 ora tolakandro, samy tapaka ny jiro sy rano saika nanerana ny tanàna iray manontolo. Tena mampikolay, koa miantso ny Jirama handray andraikitra, hoy ny mponina.
Toky R 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap