airtel

Actualités

18-mai-2022

Actualités

Nosamborina i Vaonalaroy Randrianarisoa Nisoloky, nisandoka ho mpiasan’ny Prezidansa…

Sample post image

Nosamborina ny maraina teo ary nentina tao amin’ny Sampam-pikarohana momba ny heloka bevava eny Fiadanana

18-mai-2022

ny Minisitry ny Kolontsaina teo aloha sady Solombavambahoaka teo aloha voafidy tao Brickaville Rtoa Vaonalaroy Randrianarisoa, teraka Ramahatodisolomanana. Resaka fisolokiana no voalaza fa hanenjehana azy, ary olona maro no manenjika an’ity minisitra teo aloha ity. Misy manenjika noho ny raharaha taratasim-bola tsy misy antoka, fisolokiana fiara, tsy fandoavana hofantrano,… Ambaran’ny fampahalalam-baovao mpomba ny fitondrana fa nanao «Trafic d’influence » sy fisandohana andraikitra samihafa ka nilaza ho olona avy amin’ny Fiadidian’ny Repoblika sy milaza azy ho olona ambony, miampy fivadiam-pitokisana ity minisitra tamin’ny andron’ny HVM ity. Tsara ny mampahatsiahy, fa ny 09 novambra 2021 dia efa nosamborina teny amin’ny seranam-piaramanidina teny Ivato ny tenany. Nangingina tsy nisy tohiny ny raharaha, ary navotsotra izy mazava ho azy. Nambara tamin’izany fotoana izany fa saika hitsoaka tany ivelany ka tratran'ny polisy teny Ivato. Efa nisy didy fampikarohana na “avis de recherche” sy fitoriana momba azy nipetraka hatramin'ny 2019 nataon'olon-tsotra, hoy ny fanamarihana tamin’izany. Fisolokiana na “Escroquerie” sy fivadiham-pitokisana na «Abus de confiance» no vesatra hiampangana azy, araka ny fanazavana tamin’izany. Momba ilay resaka fiara, lehilahy iray « Ingénieur en Aéronautique » antsoina hoe JN C nanana fiara raitra marika Hyundai Coupe Fx 2.7 V6 Tuscani no voalaza fa nitory. Ny mahagaga: efa ny 2019 no nisy didy fampikarohana kanefa ny novambra 2021 no nosamborina. Navotsotra indray avy eo ary niverenana nosamborina aty amin’ny volana mey 2022. Tsara ny manamarika fa isan’ireo mpanao mpikambana ao anatin’ny AAMP (Association des Anciens Ministres et Parlementaires de Madagascar) izay nipoitra tamin’ny fomba ofisialy ny 25 martsa 2022 teo Rtoa Vaonalaroy. Isan’ireo tazana tetsy amin’ny Hotely Trano Bongo Tanjombato tamin’ny fampahafantarana ofisialy io Fikambanana io. Mananontanona ny fifidianana, mafanafana ny politika,… Tsy misy ifandraisany amin’izany ve ny fanentsehana ny dosie momba azy na ambara aza fa olon-tsotra no mitory? Nahoana no navotsotra dia avy eo nosamborina indray fa tsy tonga dia nandeha ny raharaha ary natao ny fitsarana ?
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap