nampalaza ny fehezanteny niezinezina nataon’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, tamin’izay fotoana izay teny amin’ny CCI Ivato hoe “Rehefa tsy azontsika izao ireo nosy malagasy ireo dia tsy ho azontsika intsony!” sy ny nisian’ny valin-kafatra toy ny vara-datsaka avy amin’ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron, andro vitsy taorian’izay, rehefa nitsidika ny Nosy sambatra na “Île Glorieuse” ity farany hoe “Ici c’est la France” na koa hoe Frantsa eto. Ny 9 hatramin’ny 11 desambra 2019 isika, hoy ny praiminisitra Ntsay Christian tamin’izay fotoana izay no hanao fakan-kevitra nasionaly hiverenan’ireo nosy ireo saingy inona akory no teo? Natao ny dinika saingy 4 taona aty aoriana, mbola ny firenena frantsay indray aza no mitandroka sy manamafy fa azy ireo nosy ary ho trandrahany. Fahatsiarovana sisa ilay fitakiana nanetriketrika sy fehezanteny niezinezina nijanona teo amin’ny tehaka nirefodrefotra nombam-pitsanganana.
J. Mirija
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny