airtel

Actualités

21-nov-2023

Notondrahin’ny mpanampy menaka mangotraka

Simba tanteraka ny endrik’ilay renim-pianankaviana

Sample post image

Mbola manaraka fitsaboana any amin’ny toeram-pitsaboana hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay ilay

21-nov-2023

 Renim-pianakaviana tsara tarehy manodidina ny 30 taona mahery eo ho eo, notondrahin’ny mpanampiny tamin’ny menaka mahamay tao Toamasina. Raha tsiahivina kely ny tantara dia mitazona toeram-pivarotana hani-masaka ity Renim-pianakaviana ity. Tsy fantatra mazava anefa izay nitranga ny 16 Novambra teo fa avy hatrany dia notondrahin’ilay mpanampiny tamin’ny menaka mahamay izy raha iny mbola variana tsara saika hanendy sakafo iny, andro voalohany izay marihina fa niasan’io tovolahy io tao aminy. Nitsoaka avy hatrany ilay tovolahy taorian’izany. Raha araka ny fantatra moa dia efa niasa tany amin’ny fianakavian’ity Renim-pianakaviana ity io tovolahy io talohan’ny niasany tao aminy. Mety ho lonilonin’ilay tovolahy tamin’ny fianakavian’ity Renim-pianakaviana ity ve araka izany no antony nanondrahany azy tamin’ny menaka mahamay sa fitsiriritana ? Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany moa no tena hamaritra izany fa eritreritry ny mpanara-baovao avokoa izany rehetra izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Simba tanteraka tahaka izao ny endrik’ilay Renim-pianakaviana !
 

Dans la même rubrique

16-juin-2025

Toerana maro teto Antananarivo no nahitana rotaka vokatry ny fahatezeram-bahoaka

Card image cap
16-juin-2025

Tsy tomponandraikitra mivantana amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ny minisitry

Card image cap
16-juin-2025

Hifamotoana eny amin'ny Park Sisaony Ambatofotsy, distrikan’Andramasina,

Card image cap
16-juin-2025

Nikoropaka nanao Filankevitry ny Minisitra manokana andro sabotsy ny Fanjakana Rajoelina ny 14 jona teo.

Card image cap
16-juin-2025

Iray tamin’ireo mpandray anjaran’ny SIAE (Salon International des Acteurs Economiques)

Card image cap
16-juin-2025

Mbola tafiditra anatin’ny Firenena izay mbola sarotra ny fikarakarana taratasy i Madagasikara.

Card image cap