airtel

Actualités

24-avril-2026

NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY

MARIO mpitondra lakana

Sample post image

Hajao ny asa, aza mitady izay tsy hita fa ny eo aloha atao »

24-avril-2026

Miasa manomboka amin’ny 4 ora maraina ka hatramin’ny 8 ora alina i MARIO, Tovolahy iray 23 taona monina etsy Ankeniheny.Mitondra lakana fitaterana olona no asa fivelomany ary efa dimy taona mahery no nanaovany izany..Efa asa fiveloman'ireo raiamandreniny hatramin'izay ny asa fitondrana lakana mampiampita olona etsy ankeniheny, ary izao notohizany izao hoy i Mario ; misy 5 mirahalahy eo izahay no mifandimby miasa eto, hoy izy. Raha ny fahitana azy dia mazoto tokoa i Mario manao ny asa ary tena manao izany amin'ny fitiavana

MIASA 16 ORA
100 ariary monja ny saran'ny fiampitana ary tena maro dia maro ireo « client », manomboka amin'ny 4 ora maraina ary tsy mifarana izany raha tsy amin'ny 8 ora alina izany hoe 16 ora isan’andro, hoy i Mario.Na dia efa an-taonany maro aza no nisian'ity fitaterana an-dranomamy ity teto Ankeniheny dia tsy mbola nisy tra-doza mihitsy teto hoy i Mario, misy kosa anefa ny fepetra raisina rehefa miakatra ny rano ka tsy misy atahorana.Tsy maintsy mipetraka, ao anaty lakana izay no azo antoka indrindra. Rehefa tena iakatra be na mahery ny rano dia mijanona mihitsy aloha ny asa.

HAJAO NY ASA MISY
Na dia mbola tsy niteraka aza i Mario dia tsy dia maniry loatra hoe hiasa hitondra lakana toa azy ireo mety ho zanany any aoriana any . Na izany aza anefa hoy izy dia mbola miankina amin'ny mety ho zava-misy amin'izany andro izany ihany ny fiatrehana ny fiainana.I Mario dia mamporisika ny tanora hanaja ny asa izay atao, aza mitady ny tsy hita hoy izy fa izay eo aloha atao tsara fa rehefa hajainao ny asanao dia tsy maintsy tafavoaka mandrakariva ianao. Ny mahavoa ny tanora amin’izao fotoana hoy i Mario dia mifidifidy « kandra » kanefa efa tena mamay be ilay fiainana. Aleo izay as ahita aloha dia hajaina hoy izy fa mahavelona io rehefa hainao ny manao azy sy hajaninao ilay izy ary ataonao matotra tsara.
Valisoa sy RTT
 

Dans la même rubrique

24-avril-2026

vao hiala eto ny Frantsay !"

Card image cap
24-avril-2026

saingy nialàn’ny repoblika malagasy

Card image cap
24-avril-2026

hozaraina amin'ireo tena mampiasa azy

Card image cap
24-avril-2026

Vahaolana iray amin’ny olan’i Madagasikara

Card image cap
24-avril-2026

Hampahantarana ny zava-misy any / Menabe, hanomezana asa ny tanora

Card image cap
23-avril-2026

raha tsy mifampiresaka»

Card image cap