Immobilier de Madagascar), mba hanatsaharana ny Tale Jeneraly amin’ny asany ny Sendikan’ny mpiasa omaly, raha ny vaovao voaray. Antony ny fisian’ny fanamarihana na “observation” sy fahatsapana na “constat” samihafa mikasika ny fitantanana ity orinasa ity, ka mahatonga ny fitakiana ny fanesorana. Milaza ny Sendika, fa niabo tsy ankijanona isan-taona ny vokatra afa-karatsaka azon’ny orinasa tao anatin’ny 10 taona farany (2012-2022). Ireo tetikasa fanorenana trano vaovao natomboky ny orinasa tao anatin’izany vanim-potoana izany anefa dia nahantona tahaka ny Village Voara, na nitarazoka toy ny Batiments 67Ha, Batiments Ampefiloha,… hoy ny sendika. Antony maroloha no mahatonga izany, hoy izy ireo, toy ny tsy fahitana famatsiana ara-bola, ny tsy fahatokisan’ny mpamatsy vola anatiny na ivelany. Vokany, lasa niteraka lonilony sy fahakiviana tanteraka avy amin’ny mpanjifa ireo noho ny tsy fahavitan’ny asa, fahataran’ny fanolorana ny asa araka ny fotoana nifanarahana toy ny eny Betsizaraina sy ny hafa teo aloha, raha ny fanamarihana hatrany. Tsikaritra ihany koa, hoy ny Sendika, fa sahirana ny Tale Jeneraly amin’ny fitadiavana loharanom-bola famatsiana satria tsy dia nahazo “prêts bancaires” ny SEIMad tao anatin’ny 5 taona farany na dia marobe aza ny fifanatonana natao niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka eto an-toerana sy any ivelany. Nampahatsiahy ihany koa ireo sendika fa efa nisy vola 10 milliards fmg na 2 000 000 000 Ar nanjavona sokajian’izy ireo ho nahodinkodina sy nangalarina tao anatin’ny SEIMad, saingy tsy fantatra ny tohiny hatramin’izao. Nitondra sy niteraka fikorontanana tamin’ny fitantanana ara-bola sy ara-tsosialin’ny orinasa ireo toe-javatra mifamahofaho ireo satria tsapa fa tsy misy antoka mazava intsony ny fanapahan-kevitra raisin’Atoa Tale Jeneraly, hoy ireo mpiasa. Ohatra nolazain’izy ireo ny hoe: atao nny fifanarahana amin’ny mpanjifa (contrat de vente) tsy misy toavina, soniavina “calendrier de regularization” mikasika ny “arriérés CNAPS/Ostie) tsy misy fampiharana. Manginy fotsiny ny antsojay sy ny fampitahorana mba ahafahana manafina ny kilemam-pitantanana,… hoy ireo Mpiasa. Ho anay, dia feno dia feno ny fepetra ahafahana manatanteraka ny fangatahana ny fanesorana ny Tale Jeneraly ary inoanay marimarina fa efa navoitran’ny “Audit” na fitsirihana nampanaovin’ny filankevi-pitantanana ireo tranga rehetra ireo, hoy ireo Sendika. Somary avo lenta ity raharaha ity, ary efa nisy resaka fandefasana ny raharaha tany amin’ny Tribonaly, saingy tsy dia nisy tohiny, ka andrasana ny fivoarany sy ny mety ho setriny manomboka eto.
Toky R
Namoahana fanairana na "Alerte orange" ny tafika, raha ny taratasy miparitaka eny amin’ny tambajotran-tserasera,
Nohavaozina tanteraka ny biraon’ny kaominina Ambohidrapeto, distrikan’Atsimondrano.
Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany amin’ny distrikan’i Sambava roa volana lasa izay.
Lehilahy roa 43 sy 54 taona no nidoboka am-ponja rehefa tratra teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ,
Mitombo ny isan'ireo teratany vahiny hita ho mifampizara tsena amin'ny mpivarotra amoron-dàlana tato ho ato, raha ny vaovao niparitaka omaly.
Tsy mifidy tany ny fahaizana manazatra ny baolina kitra! Tena mamiratra any Seychelles i Tsiahavahana Solofo Ramarolahy.