airtel

Actualités

21-mars-2025

Olana ara-tany ao Ambonara, Nosy be

Manahy kolikoly avo lenta ireo lasibatra

Sample post image

Ny taona 2015 aho no niady tao amin’ny fitsaràna ambaratonga voalohany na

21-mars-2025

première instance», hoy ny solontenan’ireo manana olana ara-tany ao Ambonara,Nosy be. Nivoaka ny didy hitsivolana na «ordonnance» 191, hoy ity solontenan’izy ireo antsoina hoe, Charles, ity. Nandresy aho, hoy izy. Nivoaka ny tao amin’ny «cours d’appel» na ambaratonga ambony ao Antsiranana ny 2018. Mbola azoko ihany. Tao amin’ny «cassation» na fampitsaharana didy ny taona 2020. Ny 17 aprily 2023 nangataka fandavana didy na PIL ny mpifanandrina tamiko fa nolavina hatrany. Ankehitriny dia efa mihatra amin’ny aiko ity raharaha ato Nosy be ity. Hatramin’ny farany anefa aho no hiady satria tany navelan’ny ray aman-dreninay io. Manao antsoavo amin’ny filoham-pirenena, ny praiminisitra, ny minisitry ny fitsaràna hoe misy tsy mety ny fitsaràna ao Nosy be. Maro izahay no lasibatr’ity raharaha ity. Mpitsara tamin’ny fotoan’andro no manakana ahy eny an-dalana hoe hifankahita isika amin’io izaho avoakanao fahitalavitra io. Isan’ora misy hitsivolana foana ao amin’ny fitsaràna ao Nosy be. Mikaikaika ny vahoakan’i Nosy be ka mangataka amin’ny filoha Andry Rajoelina aho hoe manimba ny fitondrànao ity raharaha ity. Efa nandresy ny tena tao amin’ny fitsaràna ambaratonga voalohany, «cours d’appel», «cassation», PIL. Misy lalàna vaovao mikasika ny fanafoanana didy ve izany izao, hoy hatrany ny tenany? Manahy kolikoly avo lenta mikasika ity olana ara-tany efa am-polon-taonany ity ireo lasibatra, raha ny fampitam-baovaon’izy ireo hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap