airtel

Actualités

21-mars-2025

Olana ara-tany ao Ambonara, Nosy be

Manahy kolikoly avo lenta ireo lasibatra

Sample post image

Ny taona 2015 aho no niady tao amin’ny fitsaràna ambaratonga voalohany na

21-mars-2025

première instance», hoy ny solontenan’ireo manana olana ara-tany ao Ambonara,Nosy be. Nivoaka ny didy hitsivolana na «ordonnance» 191, hoy ity solontenan’izy ireo antsoina hoe, Charles, ity. Nandresy aho, hoy izy. Nivoaka ny tao amin’ny «cours d’appel» na ambaratonga ambony ao Antsiranana ny 2018. Mbola azoko ihany. Tao amin’ny «cassation» na fampitsaharana didy ny taona 2020. Ny 17 aprily 2023 nangataka fandavana didy na PIL ny mpifanandrina tamiko fa nolavina hatrany. Ankehitriny dia efa mihatra amin’ny aiko ity raharaha ato Nosy be ity. Hatramin’ny farany anefa aho no hiady satria tany navelan’ny ray aman-dreninay io. Manao antsoavo amin’ny filoham-pirenena, ny praiminisitra, ny minisitry ny fitsaràna hoe misy tsy mety ny fitsaràna ao Nosy be. Maro izahay no lasibatr’ity raharaha ity. Mpitsara tamin’ny fotoan’andro no manakana ahy eny an-dalana hoe hifankahita isika amin’io izaho avoakanao fahitalavitra io. Isan’ora misy hitsivolana foana ao amin’ny fitsaràna ao Nosy be. Mikaikaika ny vahoakan’i Nosy be ka mangataka amin’ny filoha Andry Rajoelina aho hoe manimba ny fitondrànao ity raharaha ity. Efa nandresy ny tena tao amin’ny fitsaràna ambaratonga voalohany, «cours d’appel», «cassation», PIL. Misy lalàna vaovao mikasika ny fanafoanana didy ve izany izao, hoy hatrany ny tenany? Manahy kolikoly avo lenta mikasika ity olana ara-tany efa am-polon-taonany ity ireo lasibatra, raha ny fampitam-baovaon’izy ireo hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

ny miaramila sy tanora handoro toby mpihary herinaratra »

Card image cap
30-avril-2026

Tanora miisa 15 no indray

Card image cap
29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap