airtel

Actualités

27-janv-2025

Olan’ny rano sy herinaratra mihamafy

Tsy henoheno ny Tale jeneralin’ny JIRAMA sy minisitry ny angovo

Sample post image

Miha mafy ny olan’ny rano sy herinaratra teto Antananarivo sy ny manodidina tato ho ato,

27-janv-2025

raha ny fitarainana hita sesilany tamin’ireo haino aman-jery hatrany amin’ny tambazotran-tserasera samihafa. Niha mafy indray, araka izany, ny delestazy ary mampametra-panontaniana ireo mpanara-baovao hoe efa nitombo ny rotsak’orana, efa nihena ny vidin-tsolika, dia inona indray izany no antony mbola maha mafy izany toe-draharaha izany? Ny fahatapahan-drano moa dia efa zary hazo fijaliana hatry ny ela manerana ho an’ny nosy manontolo. Manoloana izany dia tsy henoheno ny tale jeneralin’ny orinasa JIRAMA na Jiro sy rano malagasy, ilay israelianina, Ron Weins, sy ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo, Olivier Jean Baptiste. Ity farany moa, ny sabotsy 18 janoary teo no nahenoina azy farany nanazava ny anton’ny fidinan’ny vidin-tsolika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Hatreo saingy ny mikasika ny fiverenan’ny delestazy mamaivay taorian’izay sy ny olan’ny JIRAMA hatramin’izao kosa aloha dia io iaraha-mahita io, tsy mbola nahenoana fanazavàna feno sy nahafa-po.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap