airtel

Actualités

27-janv-2025

Olan’ny rano sy herinaratra mihamafy

Tsy henoheno ny Tale jeneralin’ny JIRAMA sy minisitry ny angovo

Sample post image

Miha mafy ny olan’ny rano sy herinaratra teto Antananarivo sy ny manodidina tato ho ato,

27-janv-2025

raha ny fitarainana hita sesilany tamin’ireo haino aman-jery hatrany amin’ny tambazotran-tserasera samihafa. Niha mafy indray, araka izany, ny delestazy ary mampametra-panontaniana ireo mpanara-baovao hoe efa nitombo ny rotsak’orana, efa nihena ny vidin-tsolika, dia inona indray izany no antony mbola maha mafy izany toe-draharaha izany? Ny fahatapahan-drano moa dia efa zary hazo fijaliana hatry ny ela manerana ho an’ny nosy manontolo. Manoloana izany dia tsy henoheno ny tale jeneralin’ny orinasa JIRAMA na Jiro sy rano malagasy, ilay israelianina, Ron Weins, sy ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo, Olivier Jean Baptiste. Ity farany moa, ny sabotsy 18 janoary teo no nahenoina azy farany nanazava ny anton’ny fidinan’ny vidin-tsolika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Hatreo saingy ny mikasika ny fiverenan’ny delestazy mamaivay taorian’izay sy ny olan’ny JIRAMA hatramin’izao kosa aloha dia io iaraha-mahita io, tsy mbola nahenoana fanazavàna feno sy nahafa-po.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap