airtel

Actualités

10-mars-2023

Actualités

Olona mamono tena Olana ara-tsaina no antony, hoy ny psikôlôgy

Sample post image

Olana ara-tsaina no mahatonga ny famonoan-tena hoy ny psikôlôgy iray. Mihevitra mantsy hoy izy ny olona iray mamono tena fa ho afaka tanteraka izy raha vantany vao miala eto an-tany,

10-mars-2023

ary mitsena avy hatrany hasambarana hafa. Tokony ho tsapan’ny rehetra anefa hoy ity psikôlôgy iray ity fa fahotana ny mamono tena ary tsy maintsy misy sedra ny fiainana fa tsy araka izay hieritreretanao azy foana. Nataon’ity psikôlôgy ity ohatra mihitsy moa ilay hiran’ny mpanakanto iray izay, izay milaza fa tsy natao fanomezana ho anao ity fiainana ity. Tovolahy iray vao 19 taona indray omaly no fantatra namono tena tany amin’ny distrikan’i Vatomandry. Noho ny olana ara-pitiavana no voalaza fa anton’izany. Tratrany nampiaraka tamina tovolahy iray hafa ny olon-tiany ka naleony namono tena. Nanaton-tena tamin’ny hazo tao Tanambao Vatomandry izy ka ilay vatany efa niantona no hitan’ny fokonolona. Tsy nisy azo natao intsony moa nandritra izany. Tsiahivina fa mahatratra 2 isan-kerinandro raha kely ireo olona mamono tena eto Antananarivo renivohitra tonga manatona ny hopitalim-panjakana.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap