Hatramin’ny nihonganan’ny fitondràna teo aloha dia anaty savorovoro tanteraka amin’izao fotoana izao ny firenena malagasy, hoy ny mpanao gazety sy mpamakafaka, Vonison Andrianjato. Lojika izany, hoy izy, satria mbola tsy nisafidy izay tiantsika atao isika. Mbola tsy misy mampivory ary izao savorovoro izao no ilàna fikaonandoham-pirenena. Tsy azo atao ambanin-javatra io satria fanomezana fitenenana ny sokajin’olona rehetra manerana an’i Madagasikara. Vanim-potoana efa ela no tsy nisian’ny atao hoe demokrasia mivantana toy izany teto Madagasikara. Tsy nisy izany ny taona 2009 fa avy dia fitsapàn-kevi-bahoaka, izay mbola karnem-pokontany koa no nentina nifidy. Mbola tsy vita ny tolona. Misy ady vaovao indray izany izao aterak’ilay fitavozavozàna sy fiandrandrasana. Hitondra ny firenena any amin’ny hoavy politika miankina amintsika izany. Izay hidonany eo no hiafaràny vao tsy haintsika ny mandrindra an’io. Manjary lasa misy fifanarahana politika hafahafa na hoe «Alliance contre nature», mpanohitra mitady seza fotsiny tonga ho azy eo, miforona daholo io fanatsotsoran-javatra rehetra io hahazoana fahefàna. Mila manala ny fahasahiranam-bahoaka izany aloha ny mpitondra. Na ampirehetina aza ny tany mena tsy maintsy mirehitra. Adidin’izay te hitondra eo izany. Izao isika indray no mitady sazy ho an’ilay firenena dia miteny amin’ireo fianakaviambe iraisampirenena hoe lazao ary izay fepetranareo. Tsy tafavoaka isika satria tsy mahay mitantana an’i Madagasikara. Zaran’ny olona aza ianao tia kitolotolotra. 7 miliara Dolara no trosan’i Madagasikara. Trosa kely indrindra eto ambonin’ny tany izany. Ohatrany efa matahotra isika nefa ny olona tsy te hahalala an’izany fa ny hampiakatra an’io ho 23 miliara Dolara aza no tanjony satria izay no aavon’ny harinkarena na PIB eto Madagasikara. Tsy tonga saina mihitsy isika hoe tokony efa ho afaka amin’io kitolotolotra io. Hoento amin’ny fahamarinana ilay firenena! Novonoin’ny olona tamin’ny 51 taona lasa ny olona nanana vahaolana ialàna tamin’ny kitolotolotra. Nanana vina hanafaka an’i Madagasikara tanaty ziogan’ny fampisamboram-bola izany Kolonely Richard Ratsimandrava izany. Efa afaka isika tamin’ireny Vatoeka na Vaomieran’ny toekarena sy famakiana lalana manerana ny nosy nataony ireny. Namaky an’iny andrefana afovoany iny. Iny Betsiboka sy Andriamena sy ny mankany rehetra iny mba hifamezivezen’ny vokatra, hoy hatrany ity minisitry ny serasera teo aloha ity.
J. Mirija
Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona