Ankoatran'ilay zazalahy 3 taona namoy ny ainy rehefa avy nianjeran'ny tamboho tao amin'ny Bungalow Lovasoa, Mangarano I, ny alin'ny 10 febroary teo dia lehilahy iray voalaza fa mpitondra posy koa no hita faty nitsirara teo akaikin’ny "Dépôt Galana" ao Toamasina hatrany omaly, raha ny fampitam-baovao voaray. Teo amin’ny manodidina misy "engin" any Toamasina moa no ahafantaran'ny maro ny toerana voalaza ho nahitana razana mpitondra posy voizina na "cyclo-pousse" ity. Vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Gezani avokoa izany fa tetsy ankilany dia tsy afa-bela tamin'ny takaitran'ity andro ratsy ity koa ny tao Ambatondrazaka. Niakatra ambony dia ambony ny aavon'ny rano. Maro ihany koa ireo fonenana mponina efa difotr'izany, raha ny fampitam-baovao voaray omaly hatrany aloha. Andrasana, araka izany ny tohin'ny tombana momba izany.
Nangonin'i J. Mirija
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»