airtel

Actualités

11-févr-2025

Olon’ny fo ny malagasy

Ny lafin-tsara sy lafi-ratsiny …

Sample post image

Malaza ho olon’ny fo hatry ny ela ny malagasy ary voalaza fa ny fototry ny teny hoe fokonolona

11-févr-2025

aza moa dia io teny hoe «fo» io. Isan’ny manazava izany ao anatin’ny bokiny mitondra ny lohateny hoe «Fokonolona fototry ny firenena» ny mpitandrina Paul Ramasindraibe ny taona 1975. Araka ny fanazavàny dia mitovy ny fandraisana ny filazàna hoe «iray fo» sy ny hoe «iray kibo» ka nahatonga ny teny hoe «foko» na «iray fo amiko» sy «iray kibo amiko». Ny hoe «fokonolona», noho izany, dia mitovy amin’ny hoe «iray fo amiko ny olona» na «iray kibo amiko ny olona» na koa hoe «foko ny olona» ary io ihany koa, raha ny fanazavàn’ny mpahaiolona politika, Dr Daniel Jules Randriamanalina, no mahatonga ny rafitra fokonolona ho neverina hatrany fa nifototra tamin’ny soatoavina antsoina hoe «Fihavanana» na «Fifampitondràna tahaka ny mpihavana». Manakaiky ny voajanahary amin’ny malagasy, raha ireo fanazavàna samihafa no jerena, noho izany, ny fampiasàna fo manoloana ireo tranga miseho eo amin’ny fiarahamonina misy azy. Io no maha samihafa antsika amin’ireo firenena mandroso hafa toy ny tandrefana sy aziatika, raha ny fanazavàn’ny mpahaiolona ara-tsosialy, Razafimahefa. Azo zaraina 3 mazava ny toetran’ny olona tsirairay eto ambonin’ny tany dia ny toetra mahafinaritra na ilay antsoina amin’ny teny frantsay hoe «sympathique». Io ilay hoe miara-ory amin’izay ory na miara-mifaly amin’izay mifaly. Eo koa ny mifanohitra amin’izay dia ny hoe masosotra na «antipathique». Io ilay miavonavona sy miolonolona. Misy kosa ny antsoina hoe «emphatique» na ilay miezaka manakatra mahazo ny hafa sy mahay mandray ny fepetra tokony ho raisiny manoloana izay zava-misy izay, izany hoe, raha misy fahoriana, ohatra, dia sady hainy no mampahery ny mana-manjo no hainy ihany koa ny mijery izay tokony hanampiana ao anatin’izany toe-draharaha izany. Tsy maika ny hitsara avy hatrany manoloanana tranga iray ka tonga dia hiteny hoe mety na tsy mety na tsara na ratsy fa mandinika ny antony aloha. Olon’ny saina sy fanahy kokoa, araka izany, ity sokajy fahatelo ity fa tsy avy hatrany dia mitsara na mitana lolom-po. Azo lazaina ho lafin-tsara maha olon’ny fo, noho izany, raha fintinina, ny fananana fo mihantra avy hatrany saingy lafi-ratsiny kosa ny hoe mora fitahina izy ireny ary tsy nahagaga ny malagasy raha voafitaka hatrany tao anatin’ireo tolom-bahoaka nisy hatramin’ny taona 1972 ka hatramin’ny 2009 na ny taorian’izay koa. Misy ilay fitenin’ny Amiraly Didier Ratsiraka izay aza moa hoe ny malagasy mora manadino satria olon’ny fo, raha ireo fanazavàna ireo hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap