Ankizy miisa 21, 3 ka hatramin'ny 14 taona no beazina sy raisina an-tanana eo anivon'ny ONG FAMI any amin'ny distrikan'i Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava ankehitriny. Mañana tongotra mivadika, bingo...ny ankamaroan'izy ireo tsaboina sy karakaraina ho afaka hanana vatana ara-dalana indray mba hahafahany miatrika ny fiainan-ko ho aviny. Raha araka ny fanadihadiana natao dia ity ONG ity avokoa no miantoka ny lany rehetra amin'izany. Alefan'izy ireo tsaboina any Antsirabe mantsy ireo ankizy sembana ara-batana ireo ka manodidina ny 2 taona eo ho eo no hialany eo amin'ireo Ray aman-dReniny. Na izany aza afaka mamangy ny zanany tsara ireto farany. Mianatra toy ny ankizy rehetra ihany koa ireo ankizy beazina ao amin'ny ONG FAMI. Tanjon'ny ONG ny hahatonga ireny ankizy mañana olana ara-batana ireny tsy ho vesatry ny fiaraha-monina fa ho afaka hivelatra sy hanana ny ho aviny tsara rehefa any aoriana. Matetika mantsy na eo anivon'ny fianakaviana aza izy ireny dia voahilika sy tsy misy mpiraharaha. Manodidina ny 30% eo ho eo ireo ankizy mañana fahasembanana ara-batana eto amintsika. Efa hatrany an-kibo ny ankamaroany noho ny antony maro samihafa.
Pati
Légende : Santionany amin'ireo ankizy beazina sy tezaina ao amin'ny ONG FAMI Tsiroanomandidy