Tampoka ary nanaritra ny maro io fandehanany io satria mbola anatin’ny olana mavaivay ny oniversite tantanany nefa izy lasa namela vato mahamay. Eo ny raharahan’ny Polyteknika Vontovorona, izay niteraka resabe ary nampisafoaka ny manampahefana isan’ambaratonga ny fanapahan-kevitra noraisiny ny 9 martsa 2023 amin’ny maha tompon’andraikitra volohany azy amin’ny fitantanana ny oniversite. Ny tena nampisafoaka ny maro tamin’izany dia ny fanapahan-kevitra noraisiny samirery, ka nanakatonana mandritra ny iray volana ny toeram-pianarana eny Vontovorona sy nandidiany ny mpianatra hiala ny toeram-ponenany avy hatrany, tsy nifampierana tamin’ny Filankevitra siantifika nefa mahakasika ny raharaha pedagojika. Niverina tamin’ny fanapahan-keviny anefa izy nanoloana ireo fanankianana nanao ranolava, ka namoaka filazana ny 10 martsa fa misokatra ho an’ny rehetra indray ny Sekoly ambony polyteknika Vontovorona. Taom-piasana roa izao no itantanan’ny Pr Mamy Ravelomanana ny Oniversiten’Antananarivo izay ho hifarana amin’ny 2024. Saika ireo tompon’andraikitra nesorina tamin’ny asany teo anivon’ny ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika no nalainy ho mpiasa-miasa akaiky aminy. Mandeha ny feo fa mikendry ny ho minisitry ny Fampianarana ambony izy.
Jean D.
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny