Ny faran’ny herinandro teo monja no tsy nisy izany fa afak’omaly Alatsinainy sy omaly Talata dia nisy hatrany izany, raha toraka izay ihany koa ny tamin’ny Zoma lasa teo, fotoana nanombohan’ny ranon’orana. Manomboka miakatra sahady ny rano eny ambany tanana vokatr’izany. Anisan’ireny ny eny amin’ny 67 ha ambadiky ny JIRAMA, ny eny Namontana, ny eny Andavamamba…Raha araka ny nambaran’ireo mponina eny an-toerana dia tsy mbola nahitan’ny fanjakana vahaolana maharitra mihitsy izy ireo hatreto. Miakatra miaraka amin’ny rano maloto ary tonga hatrany an-tokantrano mihitsy anefa ny diky rehefa tena avy ny orana vokatry ny tsy fananan’ny mponina toeram-pivoahana. Toeram-pivoahana iray rahateo hitambarana fianakaviana tsy latsaky ny folo eny an-toerana ka tena tsy hita taratra intsony izany fahadiovana izany. Manahy mafy ny mety hiparitahan’ny valan’aretina eny amin’ny faritra iva moa ireo mponina raha tsy misy ny fepetra hentitra raisin’ny fitondram-panjakana, indrindra fa izay filoha vaovao vao ho avy eo.
Pati
Legende : Tsy hitan’ny Fitondram-panjakana akory ireo olona dibo-drano lava ety ambany tanana !
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny