airtel

Actualités

30-déc-2024

Orana nikija ora vitsy

Dibo-drano sy traboina sahady Iarivo

Sample post image

Faly sahirana ny rehetra teo anatrehan’ny oram-be ny andron’ny omaly tapany hariva.

30-déc-2024

Efa ela no niandrandran’ny rehetra orana, indrindra fa ny tantsaha mpamokatra satria tena karakaina tanteraka ny tany. Noho ny fiovaovan’ny toetr’andro, na fotoam-pahavaratra aza dia tena ory orana ny teto amin’ny Firenena indrindra teto afovoan-tany tamin’ity taona ity. Efa aty amin’ny fifaranan’ny volana desambra vao misy orana tena namonto ny tany, saingy tonga dia naherihery vaika. Vokany, betsaka ireo faritra iva teto Antananarivo Renivohitra no dibo-drano sy traboina sahady. Eo ny fahabetsahan’ny rotsak’orana fa eo ihany koa ny fahatsentsenan’ny lakandrano samihafa, izay manampy trotraka ny fahavoazan’ny vahoaka. Vanim-potoana isan’ny tena fahoriana ho an’ny faritra iva ny fotoana maha be orana satria sady dibo-drano no miparitaka ny aretina samihafa. Isan’ny tena ilàna fandraisana andraikitra goavana sy ifampitezana noho izany ny resaka lakandrano, ny fanorenana tsy ara-dalàna, ny fanajariana ny tanàna,… eto Antananarivo mba tsy hiotazana loza sy fahavoazana isan-taona. Raha ny lafiny toetr’andro, tsy dia ampy orana ny fahavaratra tamin’ity taona ity saingy ahiana hihamafy ihany koa anefa ny vanim-potoanan’ny rivodoza mifanandrify amin’ny fahavaratra izay mety ho hatrany amin’ny faramparan’ny martsa na ny fiandohan’ny aprily any vao mety hijanona. Mila miomana sy mitandrina ny rehetra, ary ilaina hatrany ny fikajiana ny tontolo iainana mba hifehezana ny voka-dratsy ateraky ny fiovaovaon’ny toetr’andro.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,

Card image cap
22-mai-2025

Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly

Card image cap
22-mai-2025

Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana

Card image cap
22-mai-2025

An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.

Card image cap
22-mai-2025

Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :

Card image cap
21-mai-2025

Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,

Card image cap