tsy fanavaozana intsony ny fifanarahana momba ny hetra sy haba mikasika ny orinasa QMM any Taolagnaro. Hatry ny ela ny Fitondrana tarihin’ny Filoha Rajoelina no nilaza fa tsy hita izay tena tombotsoa nentin’io orinasa io tany amin’ny Faritra Atsimo, raha tsy hilaza afatsy tamin’ny PEM Sud tany Atsimo ny volana jona 2021. Nialohan’izay dia efa nisy ny karazana fifanolanana momba ny resaka anjara petra-bola 20% an’ny Fanjakana, ka nilazan’ny Mpitondra fa hampanao “audit” izy ireo, saingy tsy hita izay tohiny. Mazava fa resa-bola sy tombotsoa no heverina fa hanavaozana ny fifanarahana. Tena ho amin’ny tombotsoam-bahoaka ve anefa sa sanatria ny tombotsoan’olom-bitsy no tena hibahana? Fifandrifian-javatra ve ny hoe: akaiky fifidianana no mandeha izao resaka izao na ekena aza hoe: tapitra ny fe-potoana 25 taona? Mampanahy mantsy ny zava-misy satria vao ny tapaky ny volana desambra 2022 no nampahatsiahy sy nanamafy ny fitakiany ireo Kaominina 21 ao anatin’ny faritra Alaotra-Mangoro sy Atsinanana eo anatrehan’ny nanapahan’ny Fanjakana efa tao anatin’ny fotoana maharitra ny anjara latsakemboka tokony ho an’ny kaominina. Voalaza fa efa narotsaky ny orinasa Ambatovy tany amin’ny kitapombolam-panjakana, ka nafitsoky ny Fanjakana foibe izany ny anjaran’ny Kaominina isan-tokony. Lojika ary zon’ny Fanjakana tanteraka ny miady mba hitondra tombony ambony apanga ho an’ny firenena ny fisian’ny orinasa goavana mpitrandraka harena an-kibon’ny tany eto. Misy bokin’andraikitra ny fananganana an’ireny, misy lalàna, misy fifanarahana mazava, ny resaka hetra miditra amin’ny Fanjakana, ny fampandrosoana ara-tsosialy eo an-toerana,… Miteraka famoron’asa mivantana na ankolaka ny fisiany, ankoatra ny mety ho tombotsoa ara-ketra samihafa. Fandre teto amintsika hatramin’izay moa ny hoe: 1% fotsiny ve ny tamberiny, ary isan’ny novoizina hatrany io. Tsy sanatria miaro ireny orinasa lehibe ireny, fa raha misy ny tsy ara-drariny, dia anjaran’ny Fanjakana ny miresaka sy miady varotra, fa ny tsikaritra kosa dia betsaka ny don-tandroka niainga tamin’ny tetezamita. Adino ireo karazan-ketra sy tamberiny samihafa izay manodidina ny 40 izy izay, ny famoronan’asa, ny resaka sosialim-bahoaka,… ary matetika ny fanaovana kabary politika toa miantso ny olona hankahala ireo orinasa goavana. Mahavita mamorona asa an’aliny sy an’hetsiny indray mipoaka ve anefa ny Fanjakana raha misy sanatria ny fahalasan’ireo? Moa hanome endrika tsara ny faharisian’ny mpampiasa vola eto ve ny don-tandroka samihafa ?
Toky R
Namoahana fanairana na "Alerte orange" ny tafika, raha ny taratasy miparitaka eny amin’ny tambajotran-tserasera,
Nohavaozina tanteraka ny biraon’ny kaominina Ambohidrapeto, distrikan’Atsimondrano.
Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany amin’ny distrikan’i Sambava roa volana lasa izay.
Lehilahy roa 43 sy 54 taona no nidoboka am-ponja rehefa tratra teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ,
Mitombo ny isan'ireo teratany vahiny hita ho mifampizara tsena amin'ny mpivarotra amoron-dàlana tato ho ato, raha ny vaovao niparitaka omaly.
Tsy mifidy tany ny fahaizana manazatra ny baolina kitra! Tena mamiratra any Seychelles i Tsiahavahana Solofo Ramarolahy.