orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA fa fantatra fa misy ireo mpiara-miasa hanao fitokonana ka miantso azy ireo mba handinika raha izao no fotoana mety noho ny tsy fahafaham-pon’ny vahoaka amin’ny tolotra omen’ny orinasa. Izany indrindra no anton’ny hetsi-bahoaka ankehitriny, hoy ity naoty ity. Ny fampitomboana avo roa heny ny ezaka no tokony atao hanatsaràna ny tolotra ary ialàna amin’ny toe-javatra mety hanakana ny fampandehanana ny asa. Nisy fanambaràna nilaza fa tsy tomponandraikitra amin’ny zava-misy ankehitriny ny mpiara-miasa eo anivon’ny orinasa. Azo ekena izany nefa tsy vahaolana ny fitokonana, indrindra, amin’izao fotoana izao satria vao mainka hampitotongana ny zava-misy izay efa tena ratsy ho an’ny vahoaka ary mbola hanamafy izany. Araka ny efa fantantsika dia manangana toby famokarana herinaratra sy tobim-pamokarana rano maro isika. Mila manohy izany ezaka izany isika ary hanamafy izany mihitsy aza. Ilaina ny fanohizana ny fanoloana sy fanamafisana ny tambazotra mpitsinjara rano sy herinaratra, araka izay efa natomboka. Ambonin’izany, tsy misy antony mitombina tokony hitokonana. Ny JIRAMA dia orinasam-panjakàna ary mbola hijanona 100% ho an’ny fanjakàna malagasy. Tsy mitombina sy diso avokoa izay tsaho mahakasika ny fisintahan’ny fanjakàna. Ny sata vaovaon’ny orinasa dia tsy mihevitra ny hivarotra ny renivolany. Tsy hisy fandroahana mpiara-miasa ihany koa ao anatin’izany. Ny hanarenana ny orinasa JIRAMA no tanjona fa tsy ny handrava azy. Efa nanomboka ny fifampiraharahana tamin’ny governemanta. Nisy ny fifampidinihana lalina niarahana tamin’ny sendika ka nahatonga ny fifanarahana natao hanamafisana ny fandraisan’ny mpiara-miasa anjara mavitrika amin’ny fanarenana. An-dalam-pamolavolàna io fifanarahana io isika ary ho ampahafantarina anatin’ny mangarahara tanteraka. Hamafisina ny fahavononana amin’ny fitazonana io fifampiresahana misokatra sy iraisan’ny rehetra io, izay zava-dehibe amin’ny fametrahana vahaolana maharitra ho an’ny vahoaka malagasy. Izany no hanaovana antsoavo amin’ny mpiara-miasa JIRAMA rehetra. Ny fitokonana dia mety hanamafy ny fahasahiranan’ny vahoaka ary mety hampiditra ny orinasa ao anatin’ny fahasahiranana lalina ihany koa, izay tsy maintsy hisy fiantraikany. Manao antsoavo ny rehetra mba hiverina handinika sy hijery ny tombontsoan’ny vahoaka sy ny orinasa. Asa mivaingana ao anatin’ny fotoana fohy no andrasana amintsika hanamafisàna ny ezaka sy fandraisana andraikitra hiarahana miatrika ireo fanamby ireo. Tsy fotoanan’ny fisaratsarahana izao fa fiarahana manorina. Am-panetren-tena sy ampahavononana no inoana ny fahafahan’ny tsirairay mandray anjara amin’ny fanarenana maharitra ny orinasa JIRAMA, hoy hatrany ity naoty nosoniavin’ny tale jeneralin’ny JIRAMA, Ron Weiss, ity.
J. Mirija
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»