airtel

Actualités

20-nov-2024

Orinasa JIRAMA

«Maty antoka foana raha vao tsy miala amin’ny fampiasana gropy »

Sample post image

Raha vao tsy miala mihitsy isika amin’io fampiasana famatsiana herinaratra na «groupe électrogène»

20-nov-2024

io dia maty antoka foana ary mividy angovo faran’izay lafo indrindra eran-tany, raha ny mikasika ny vahaolana momba ny JIRAMA, hoy ny antoko politika Teza. Sady lafo ireo «groupe électrogène» ireo no mbola tsy maintsy mahazo tombom-barotra ny mpampanofa azy dia lasa lafo dia lafo ny jiro eto amintsika, hoy ny filohan’ity antoko ity, Jean Louis Rakotoamboa. Raha ohatra fifampiraharahana amin’ny sinoa no tokony atao eto Madagasikara dia mividy «Park solaire» na andrin’angovo avy amin’ny masoandro any amin’ny 120 isa any ny fivondronana dia mifanaraka aminy mba aloha tsikelikely ny vidiny, hoy izy. Mitango vola fotsiny sisa atao anatin’ny 10 taona no atao amin’izay fotoana izay. Tsy mila intsony hoe mandoa solika isaky ny mandeha. Ny vola azo amin’iny no hamerenana ny vidiny sy ahafahana manao tahiry hanamboarana «central électrique» na toby famatsiana herinaratra. Azo atao koa «central hydroélectrique» na toby famatsiana amin’ny alalan’ny fampiasana ny rano sy «central nucléaire» na ivotoerana famokarana angovo nokleary. Ny olana amin’ny «central hydroélectrique» tsinona mila rano tsy maintsy tehirizina mandava-taona. Indraindray tsy ampy ilay rano dia tsy afa-mamokatra ilay izy. Ny toetr’andro nefa izao efa miova, tsy ahafahana mitahiry rano araka ny tokony ho izy anatin’ilay fitehirizana na «turbine» mandava-taona. Ny tsara indrindra izany dia «Park solaire» atao «central nucléaire» madinidinika izay efa voafehin’ny sinoa na ny rosianina na sahala amin’izany ireny amin’izao fotoana izao, hoy hatrany ny Teza.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap