Vao herinandro lasa izay, raha be indrindra, no toy ireny ahafahana hanao veloma tanteraka ny delestazy ireny mihitsy ny nolazaina fa hetsika fanarenana an’Andekaleka nandritry ny 3 andro sy nanapahana ny herinaratra nandritry ny fotoana maharitra teto Antananarivo. Raha ny serasera sy fihetsiketsehana nataon’ireo tomponandraikitra hatramin’ny fandokafana maro lafy mihitsy nataon’ireo tandapa sy mpanohana fitondrana moa dia tena toy ny hoe “veloma lava Radelestazy!”. Toy ny soasoa voatapo-drano anefa izany raha mbola nahita fampahafantarana avy amin’ity orinasam-pirenena mpamatsy herinaratra sy rano eto Madagasikara ity ihany omaly hoe ireto avy indray ireo ho tapaka herinaratra amin’ny ora izao sy izao amin’ity anio ity (TTF: mantsy ny omaly 26 oktobra 2022). Mankasitraka ny mpanjifa hatrany amin’ny faharetana moa, hoy ny JIRAMA. Fidiny ho azy angaha moa ilay miharitra ?
J. Mirija
Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,
Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly
Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana
An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.
Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,