airtel

Actualités

04-nov-2021

Actualités

Orinasa MIMOZA BTP mpanao làlana Milela-paladia amin’ny Fanjakana mba handoa ny volany

Sample post image

Nanamafy ny antso avo amin’ny mba handoavan’ny Fanjakana ny tambin’ny asa fanamboaran-dàlana tao amin’ny ACMIL (Academie Militaire Antsirabe) ny Orinasa MIMOZA BTP Sarl omaly,

04-nov-2021

 araka ny tafa nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly. Nomarihin’Atoa Andrianarisoa Ratovondrahona Tale Jeneralin’io orinasa io, fa misy ny avy amin’ny FR (Fonds Routiers) ny famatsiam-bola nanao làlana fa misy ny miankina avy hatrany amin’ny Loharom-bolan’ny Fanjakana madiodio amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny asa veventy sy ny governemanta na RPI (Ressources Propres Internes) ka tao anatin’io sokajy io ny azy ireo. Efa vita ny taona 2018 ny asa miteti-bidy 700 000 000Ar latsaka 35 000Ar, ny sata Repoblikanina, dia tokony hipetraka tsara ny fitohizan-draharaham-panjakana, ka miandrandra ny hisitrahany ny valin-kasasarany izy ireo. Tsy ny ACMIL rahateo no nampanao ny asa fa ny avy amin’ny Minisiteran’ny Asa vaventy, ary nandritra ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Minisitra roa tonta, dia nampahatsiahy ny Minisitra vaovao Atoa Gerry Hatrefindrazana Atoa Hajo Andrianainarivelona, fa olombelona, mamelona vady aman-janaka, mamelona olona ireo orinasa nanao ny làlana, ka tokony hisitraka ny valin-kasasarany. “3 ny orinasa nanao izany, misy orinasa vazaha, ary misy ny orinasa Malagasy, fa ny orinasa Malagasy no tsy nahazo ny volany na ny iraimbilanja aza. Nangatahan’ny Fanjakana hoe: henjeho ao anatin’ny 10 andro, ary tena natao araka izany”, hoy ny fitarainana. Henjana ny fanetsehana olona sy fitaovana tao anatin’izany, kanefa hatramin’izao dia tsy azo ny vola na irambilanja aza, kanefa eo am-pelatanana ny porofo rehetra ara-panjakana tsy azo lavina: “attestation de réalisation”, “Passation de marché”, “Contrôle de dépénse engagée”, “attestation de non payement”,… araka ny Fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny orinasa MIMOZA BTP. Maromaro ihany ny orinasa tsy nahazo vola amin’izao, izay no anavaovana antso amin’ny Fanjakana, tsy misy resaka politika, ianareo miresaka famoronana asa, kanefa izahay izao mijaly, izao no mahazo anay, niasa izahay, mba nahavita asa tsara, ka tokony mba homena ilay valin-kasasarany, hoy ny hafatra miantefa amin’ny Mpitondra Fanjakana amin’ny maha Raiamandreny.
VERY VAO DILA NY 4 TAONA
Miara-dia ary eo foana izahay amin’ny fitakiana ataon’ireo orinasa niasa tao anatin’ny FR nahavita ny asany ny farany 2020 na dia tao anatin’ny fifanarahana RPI ity, hoy izy ireo. Nihaona tamin’ny Minisitry ny Asa vaventy Atoa Gerry Hatrefindrazana izahay tamin’ny 2 septambra, ary nampanantenaina fa aloa mialohan’ny 7 oktobra no handoavana ny vola, saingy mbola tsy tanteraka. Ny tena atahoran’izy anefa dia efa ny 2018 no nahavita ny asa, ao anatin’ny 4 taona anefa ny fe-potoana tokony handoavana ny vola, raha ny lalàna, ka raha dilan’izay dia mety ho votsotra tanteraka ny valin-kasasaran’izy ireo. Efa hanitsaka ny 2020 anfa isika. Mitahalo sy miantso vonjy, ary tena milela-paladia amin’ny Fanjakana noho izany ny Orinasa Mimosa BTP.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap