airtel

Actualités

06-mars-2025

ORINASA STAR

Namboly hazo mihoatra ny 6.000 isa

Sample post image

Mandray anjara feno amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny orinasa Star

06-mars-2025

ao anatin’ny fanatanterahana ireo andraikitra ara-piarahamonin’ny orinasa na ny RSE. Mirona tanteraka amin’izany ny orinasa ary mamokatra zana-kazo aman’aliny amin’ny alalan’ny toeram-pambolena zana-kazo ao amin’ny ozinina MALTO Antsirabe. Misitraka ny zana-kazo avy ao avokoa ireo toeram-pamokaran’ny STAR fa indrindra ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka izay mangataka fiaraha-miasa. Miisa 80.000 mahery ny zana-kazo novolavolaina tao nandritra ny taona 2024 izay hampiasaina mandritra ny taona 2025. Tamin’ity taona ity, dia nahatratra 26.000 isa mahery ireo zana-kazo naparitaka manerana ireo toeram-pamokaran’ny STAR. Ny 12.500 mahery ho an’ny Ozinina Ambatolampy, 8.500 mahery ho an’ny Ozinina Andranovelona, 3.100 ho an’ny Ozinina Antsirabe ary maherin’ny 2.700 ho an’ny MALTO. Ankoatra ireo, maherin’ny 8.000 ireo zana-kazo nozaraina tamin’ireo vondrom-bahoaka eny ifotony, ireo mpiara-miombon’antoka ara-panjakana, ireo mpamboly, ary ireo sekoly manodidina. Mbola misy ihany koa zana-kazo 20.000 hitsinjovana ny filàn’ny mpamboly mandritra ny taona 2025. Etsy an-danin’izay dia misy ireo olon-tsotra sy mpiara-miasa eo anivon’ny STAR izay mitondra ny anjara-birikiny sy manatanteraka ny andraikitra amin’ny maha olom-pirenena azy ireo. Ankoatra ireo hetsika fambolen-kazo iarahan’ny mpiara-miasa dia asaina ihany koa ny mpiasa samy hamboly any amin’ny toerana misy azy. Vokatr’izay fiaraha-mientana izay dia maherin’ny 6.000 isa ireo zana-kazo voavolin’ny mpiasa.
Pati
Legende : Miezaka manamaitso volo an’i Madagasikara ny orinasa Star !
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap