ho an’ny Faritanin’Antananarivo teo aloha entina hamolavalona ny Paikadim-pirenena vaovao Iadiana amin’ny Kolikoly na ny SNLCC eto Madagasikara, izay mamarana ny fakan-kevitra. Dingana 3 no entina hamolavolana ny SNLCC ka hanaovana jery todika ny dingana efa vita, fakan-kevitra, atrik’asa hijerena akaiky ny lohahevitra sasantsasany toy ny resaka fananan-tany, ady tany, ny fampiharana ny famaizana, ny sampan-draharaham-panjakana, ny fitantanam-bolam-panjakana, ny zon’olom-belona, ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy,… izay hodinihina manokana ny 23 septambra hatramin’ny 11 oktobra. Ireo mitambatra ao anatin’ny fakan-kevi-paritra ny dingana faharoa, ary dingana fahatelo ny atrik’asa nasionaly hatao ny 24 oktobra 2024 hiantsoana ireo mpikatroka rehetra manerana ny faritra. Hatolotra ny 09 desambra 2024 izay andro iraisam-pirenena momba ny kolikoly kosa ny paikadim-pirenena vaovao iadiana amin’ny kolikoly izay hotanterahana nanomboka ny janoary 2025, raha ny fanazavana nentin-dRtoa Sahondra Rabenarivo Filohan’ny Komity miaro ny fahintsiana na ny CSI sady Mpandrindra ny famolavolavolana ny SNLCC. Aiza no tena marary amin’ny kolikoly ? Sao tsy mitovy ny fiantraikan’ny ady amin’ny kolikoly sy ny paikady ? Sao lasa toy ny hoe : fijery avy eto Antananarivo ihany ? Antony ireo hanitarana sy hampivelarana ny fakan-kevitra satria paikadim-pirenena rahateo no atao, raha ny fanazavana. Isan’ny hanaovana jery todika ny sakana nisy teo amin’ny famaizana ny kolikoly tao anatin’ny 20 taona satria tsy tena tratra ny tanjona tao anatin’ny SNLCC 2015-2025,… Tsy hionona fotsiny amin’ny ankampobeny, fa hivelatra amin’ny sehatra sy lohahevitra samihafa : toy ny fananan-tany, filaminana, fitsarana, fiantraikan’ny kolikoly amin’ny vehivavy, ny fiantraikan’ny kolikoly amin’ny fanatanjahantena,… izay anisan’ny zava-baovao ao anatin’ny paikadim-pirenena, raha ny fanazavan’ny Filohan’ny CSI hatrany. Teo aloha mantsy dia resaka fitantanan-draharaham-panjakana no tena voaresaka tamin’ny ady amin’ny kolikoly, kanefa dia tena misy fiantraikany ireny amin’ny fanatanjahantena ohatra, hoy hatrany Rtoa Sahondra Rabenarivo. Mandray anjara amin’ity atrikasa ity moa ireo sehatra samihafa toy ny rafi-pahefana, isam-paritra, ny sehatra tsy miankina, ny fiarahamonin-pirenena, ny haino aman-jery, ny anjerimanontolo, ireo manam-pahaizana manokana amin’ny sehatra samihafa ary ny olobe isan-tsokajiny. Mitondra ihany koa ny Fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana momban’ny Fampandrosoana na ny PNUD.
Toky R
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny