airtel

Actualités

20-avril-2023

Actualités

Paositra Malagasy Nahazo fampitaovana maro avy amin’ny UPU

Sample post image

Nahazo fitaovana avy amin’ny UPU (Union Postale Universelle) ny Paositra Malagasy mba hoenti-manatsara ny fampandehanana asa.

20-avril-2023

Ny fanatsarana ny kalitaon'ny fandefasana, fandraisana entana sy taratasy eo anivon'ny Paositra no tanjona amin’ny alalan’ny tetikasa FAQS na Tahirim-bola hanatsarana ny kalitaon’ny servisy. Ny FAQS izay nitsangana tamin'ny 2001, dia tetikasa ara-bola izay manana tanjona tokana dia ny fanatsarana ny kalitaon'ny fandefasana-fandraisana entana sy taratasy eo anivon'ny Paositra. Mahatonga ny paositra nasionaly sy iraisam-pirenena mikoriana haingana kokoa, ary azo antoka. Ny vokatra tsara hita tao amin'ny Paositra Malagasy no nanampy tamin'ny fahazoana izany fanohanana izany avy amin'ny UPU hoy ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra. Nahazo Bajaj 10, môtô 25 ary kamiao 10 taonina 4, araka izany, ny Paositra Malagasy omaly 19 aprily, ka ny Minisitry ny Paositra Atoa Tahina Razafindramalo no nandray izany tamin’ny fomba ofisialy. Nambarany fa hampiasaina amim-pahendrena ireo fitaovana ireo satria tsy ny firenena rehetra no mahazo tombony amin'ny tetikasa manan-danja toy izao. Noderainy ihany koa ny ezaka natao hanatsarana ny serivisy eo amin'ny sehatry ny paositra. Nambara fa matoa ny Paositra Malagasy, tao anatin'ireo mpandraharaha maro maneran-tany no nofidiana, dia noho ny fahamendrehana sy ho fankasitrahana ny ezaka natao. Ankoatra izay, nahazo solosaina miisa 40 ihany koa ny Paositra Malagasy, Panneaux solaires 40 sy box internet 40 avy amin'y firenena japoney, izay mitentina 80,000 USD ho fanamafisana ny "inclusion financière". Ireo ezaka amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny asa ireo dia nambara fa manamafy ny velirano faha-11 nataon’ny Filoha: « Fanavaozana an’i Madagasikara » sy manamarina isan'andro ny teny faneva an'i Paositra Malagasy: Présente - Visible - Fierté de tous, hoy ny fampitam-baovao.
Toky R


 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap