Fijaliana hatrany mantsy ny mahazo ireo olona manam-pahoriana mipetraka eny amin’iny faritra iny. Tsy maintsy miakatra ity tetezana avo be ity mantsy ary midina indray avy eo izay vao miazo ny arabe. Toy ireny mitaingina manège ireny anefa ny miakatra sy midina amin’io tetezana io. Betsaka ireo tsy mahazaka indrindra fa ho an’ireo olona manana tosi-dra ambony sy ny mora fanina. Tsy latsa-danja amin’izany ireo olona mora sempotra . Tsy afaka miampita eo amin’io tetezana io izy ireo fa tsy maintsy miodina mankany Anosy na mankany Ankadimbahoaka. Raha tsiahivina anefa dia noho ny fandalovan’ny Train Urbain amin’ny lalamby eny an-toerana no tsy maintsy nananganana io tetezana io satria tsy tokony hisy olona hiampita lalamby intsony rehefa miainga io tetikasa Train Urbain io. Heverina ho vahaolana amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana ity zotran-dalamby an-tanàn-dehibe ity kanefa dia izao miteraka olana hafa amin’nyf arahamonina izao .
Pati
Legende : Fijaliana tahaka izao ny miakatra sy midina amin’io tetezana io
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny