Tamin’ny 4 ora ora maraina dia efa feno olona hikarakaraka io taratasy io, izany hoe: mety misy tamin’ny 1ora na tamin’ny 2ora maraina, dia efa nandao ny tokantrano hilahatra filaharana hikarakarana pasipaoro satria 200 isan’andro eo ihany no voalaza fa raisina. Hatry ny ela no nampiady hevitra sy nampimenomenona ny olom-pirenena ny fanasarotana azy ity, nisy fotoana naato, avy eo lasa nisy fitakiana “lettre d’hébergement”. Nolazaina fa natao ho an'ny olom-pirenena mivezivezy mivoaka sy miditra ny sisin-tany malagasy ny pasipaoro, noho izany dia ireo manana anton-dia mifanaraka amin'izany no tokony hanana azy. Nambara fa takiana arak'izany ny taratasy mety manamarina izany anton-dia izany. Tonga hatramin’ny hoe: aiza ny tapakilam-piaramanidina mandroso sy miverina? Aiza ianao no mipetraka, porofoy fa nekena ilay fiofanana andehananao any ivelany. Taiza no mbola nisy hoe Malagasy ianao dia mangataka « demande de confirmation de nationalité » ao amin’ny Tribonaly kanefa manana karapanondrom-pirenena ilay olona ? hoy ny Olobe iray eto amin’ny firenena? Tsy voalohantsika angaha ny trosan'ireo kaompania vahiny mpanao ny Pasipaoro dia notapahan-dry zareo ny fandefasana ireo Pasipaoro mankaty Madagasikara hany ka ferana ny isany? Zary lasa miteraka fahasosorana ho an’ny olona ilay izy, hany ka zary ampitovian’ny olom-pirenena amin’ny hoe: mila “carte grise” hoe manana fiara ihany koa ve izany ny olona vao afaka hianatra hamily fiara eny “auto ecole” sy hahazo fahazoan-dàlana mamily fiara na “pérmis de conduire” ? Mila manamarina ve izany hoe tena hiteraka vao hahazo bokim-pianakaviana rehefa misoratra eny Firaisana dia manome tetiandro hoe amin’zao izahay Tompoko no hametraka an’ilay zaza? Naato avy eo ilay resaka “lettre d’hébergement” io nanomboka ny 14 aprily teo noho ny fimenomenonan’ny maro. Io indray ny zava-misy ankehitriny, izay toa lasa misy endrika fampijaliana vahoaka, ary tsy mandroso fa mihemotra isika raha tarafina amin’izao zava-misy izao. Tena tsy voafehy sa tsy hay ny mampiasa ny resaka “digitalisation” sy ny teknolojia ka dia io miseho amin’ny fampijaliana vahoaka io? Inona marina ilay tian’ny Fanjakana hahatongavana?
ZO FOTOTRA
Zo fototry ny olom-pirenena ny manana pasipaoro ahafahany mivezivezy, tsy voatery tsy maintsy manana anton-dia aleha any ivelany vao afaka manana izany, afaka manao azy na amin'ny fotoana ahoana na amin'ny fotoana inona, ary tsy voatery feno 18 taona vao afaka manana izany fa na vao teraka aza dia afaka manana rehefa mahafeno ny taratasy ilaina sy mahaloa ny saran’ny antontan-taratasy. Vola miditra ho an’ny Fanjakana ny saran’ny fanaovana pasipaoro, saingy toa hiniana hasarotina, izay lasa varavarana midanadana makany amin’ny kolikoly mihitsy. Rehefa fahasarotan’ny amin’ny raharaha sy taratasy ara-panjakana na “lourdeur administrative” tahaka izao no mahatonga ny olona halaim-panahy hanao kolikoly sa izay mihitsy ilay tanjona tiana hahatongavana? Rahoviana isika no handroso raha ho tahaka izao ny fomba fitantanana? Ny any ivelany manamora ny fidirana sy ny fivoahana ao aminy, fa ny antsika toa hafa mihitsy.
Toky R
Simba ny fitaovana, mihena ny angovo, ela vao feno ny vatoaratra, potika ny fihariana.
Zava-doza tsy roa aman-tany no nataon’ny lehilahy iray tany Toamasina izay nahasahy nandatsaka
Lasa fialam-bolin’ireo vahiny tonga tany amin’iny faritra andrefan’ny Nosy iny rehefa faran’ny herinandro tahaka izao ny mitifi-borona.
Teo am-pamaranana ny boky soratako mikasika ny tsiahin'ny taona fitopolo sy ny manodidina azy ary koa ny