airtel

Actualités

18-avril-2025

PASKA HIEREN-DOZA

Hisokatra ny toerana fitsarana fiarakodia rahampitso

Sample post image

Paska hieren-doza, io no tanjon’ny sampandraharaha misahana ny fitaterana

18-avril-2025

an-dalambe eo anivon’ny Ministeran’ny Fitaterana amin’ity taona2025 ity. Ho hentitra araka izany ny fanaraha-maso hataon’izy ireo raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny DGSR Atoa Reribaky Jeannot tamin’ny mpanao gazety omaly. Hanomboka eny amin’ny tobim-piantsonan’ny taxi-brousse eto an-drenivohitra izany androany Zoma 18 Aprily. Mbola hisokatra ihany koa ny toerana fitsarana fiarakodia rehetra rahampitso Sabotsy 19 Aprily manomboka amin’ny 09 ora maraina ka hatramin’ny 02 ora folakandro. Ankoatra izay dia afaka manao fanaraha-maso ara-teknika daholo ihany koa izay fiara hivoaka hitondra fianakaviana …amin’ny Fetin’ny Paska izay nomarihin’ity tompon’andraikitra ity manokana fa maimaim-poana avokoa. Mandritra ny fandraisana ilay fihaonambe an-tampony aty amin’ny ranomasimbe Indiana ihany koa moa dia fantatra fa afaka mitsirika maimaim-poana ny fiara mihoatra ny 5 taona ireo manana izany ho fisorohana ny olana mety hitranga eny am-pandehanana ka anisan’ireny ny lozam-pifamoivoizana.
Pati
Legende : Hafana ny fanaraha-maso ireo taxi-brousse rehetra miainga ety amin’ny tobim-piantsonana !
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap