airtel

Actualités

18-avril-2025

PASKA HIEREN-DOZA

Hisokatra ny toerana fitsarana fiarakodia rahampitso

Sample post image

Paska hieren-doza, io no tanjon’ny sampandraharaha misahana ny fitaterana

18-avril-2025

an-dalambe eo anivon’ny Ministeran’ny Fitaterana amin’ity taona2025 ity. Ho hentitra araka izany ny fanaraha-maso hataon’izy ireo raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny DGSR Atoa Reribaky Jeannot tamin’ny mpanao gazety omaly. Hanomboka eny amin’ny tobim-piantsonan’ny taxi-brousse eto an-drenivohitra izany androany Zoma 18 Aprily. Mbola hisokatra ihany koa ny toerana fitsarana fiarakodia rehetra rahampitso Sabotsy 19 Aprily manomboka amin’ny 09 ora maraina ka hatramin’ny 02 ora folakandro. Ankoatra izay dia afaka manao fanaraha-maso ara-teknika daholo ihany koa izay fiara hivoaka hitondra fianakaviana …amin’ny Fetin’ny Paska izay nomarihin’ity tompon’andraikitra ity manokana fa maimaim-poana avokoa. Mandritra ny fandraisana ilay fihaonambe an-tampony aty amin’ny ranomasimbe Indiana ihany koa moa dia fantatra fa afaka mitsirika maimaim-poana ny fiara mihoatra ny 5 taona ireo manana izany ho fisorohana ny olana mety hitranga eny am-pandehanana ka anisan’ireny ny lozam-pifamoivoizana.
Pati
Legende : Hafana ny fanaraha-maso ireo taxi-brousse rehetra miainga ety amin’ny tobim-piantsonana !
 

Dans la même rubrique

15-déc-2025

Nanao ampamoaka sy nanazava ny

Card image cap
15-déc-2025

Nisy ny fihaonana ara-panjakana izay

Card image cap
12-déc-2025

Nitsangana ny vaomiera mpanadihady

Card image cap
12-déc-2025

mbola miantehitra amin’ny frantsay»

Card image cap
12-déc-2025

rehefa tsy ampy solaitra ny maro an'isa"

Card image cap
12-déc-2025

Tandindonin-doza ireo tantsaha

Card image cap