Vahiny manokan’ny fandaharana Bemiray tao amin’ny Top Radio FM 102.8 omaly 18 febroary i Patrick Raharimanana, mpanolo-tsaina manokan’ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo. Isan’ny iraka manokana ataony ny fanadiovana ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, indrindra ny volamena, mba hahazoan’ny Firenena tombontsoa mivantana. Nohazavainy fa manan-karena i Madagasikara, saingy tsy mbola sitrahan’ny vahoaka izany. Ohatra, any Betsiaka dia mahatratra 500 taonina ny volamena, kanefa 1 taonina ihany no nalain’ny Frantsay tamin’ny 1921. Amin’izao fotoana izao, fitrandrahana tsotra dia mahazo 5–30 kg isan-kerinandro any, nefa ny fanambarana ofisialy ho an’i Madagasikara manontolo tamin’ny 2025 dia 13 kg monja. Any Ambatondrazaka aza, sivanin’ny olona ny kodiaran-kamio satria misy volamena. Raha ny marina, misy famotsiam-bola hatramin’ny 25 taonina isan-taona, mitentina 3 miliara dolara, kanefa i Madagasikara mindrana 10 tapitrisa dolara amin’ny mpiara-miombon’antoka tena mandadilady. Nomarihiny fa 7000 no voarakitra amin’ny sehatry ny volamena, kanefa 350000 Malagasy no tena mivelona amin’izany, izay tanjona ny hampidirana azy ireo ho ara-dalàna, 10000 Ar no aloa amin’ny kaominina, Tsy misy tamberin’andraikitra mazava dia malaina izy ireo, hoy izy. Ny fizarana ny « ristourne » 5% dia tokony ho: 60 kaominina, 30 faritra, ary 10 ho an’ny Fanjakana. Ohatra, Ambatovy dia efa nandoa 98 miliara Ar ho tamberiny amin’ny kaominina. Notsindriany fa tsy maintsy atao ara-dalàna ny fitrandrahana, ary fehezina ny trafika. Ny « Salle VIP » eny amin’ny seranana eny Ivato anefa tsy misy scanner, ny SAC diplomatique tsy tokony hihoatra ny 30 kg, kanefa matetika tsy voasakana, saingy efa misy ny ezaka. Nohazavainy fa ny code minier dia mamela hitondra 250 g volamena efa vita firavaka, vita fitomboky, nefa ny vahiny mahazo mitondra 1000 g, izay mbola mampiady hevitra. Ny hetra dia 10000 Ar isaky ny grama. Ny volamena « code zéro » tratra dia tsy misy lanjany. Tokony hojerena ny toerana, ny lavaka, ny fampiasana mercure, ary hasiana ozinina sy informatika hanaraha-maso. Raha ny vidiny, 600000–800000 Ar ny grama eny amin’ny tsena iraisam-pirenena, nefa 5000 Ar monja any Antanimbary, ka mamono tena ny mpitrandraka madinika.
RAHARAHA TIKO, TOE-DRAHARAHA ANKAMPOBENY
Voatendry ho mpanolotsaina maharitra, 12 eo izahay ny maharitra, ny ahy tafiditra ao ny volamena, fa tsy misy mihitsy ny hoe tsy mahazo mandray zavatra hafa, hoy I Patrick Raharimanana. Nanipika kosa izy, fa tsy manana fahefana hanakana an'iza ? Efa nanatona an'iza ny Tiko? Iza no sakana ? hoy izy. Nambarany fa ny Praiminisitra dia manosika ny orinasa rehetra hiroborobo. Ny Tale Jeneralin’ny Jirama nilaza rehefa nanatonany fa tsy manana olana, fa raha manana trosa izy dia mifanaraka hoe izao no tokony haloa dia miodina. Niresaka tamin'ny Minisitry ny tetibola amin’ny resaka hetra hoe : manao ahoana ? Tahaka izany koa ny resaka tondrozotra ? Maninona ny Tiko no tsy manatona, tsy voatery izaho. Izaho aloha tsy naheno hatreto hoe nanatona an'iza ny Tiko? Hoy i Patrick Raharimanana. Tsy izaho no misakana ary izaho, hoy izy, tsy hoe mamaha olana fa mba afaka miresaka amin'ny PM, na amin’ny PRRM. Ara-politika, nambarany fa milamina tsara ny fifandraisan’ny Filoha sy ny Praiminisitra. Manoloana ny hoe : ohatran'ny mitady tsy hifanaraka amin'ny tolona ny zava-misy, nambarany fa ny tenany nitolona aza mba mametraka fanontaniana amin'ny zavatra takian'ny olona. Na izany aza miezaka, hoy izy ny governemanta. Ny ady amin’ny tsimatimanota isy milaza fa valifaty politika kanefa ny Fitsarana manao ny asany, ny cour des comptes,... Efa misy vokatra, misy lisitra ny mpitondra maro tratry ny IST, mbola tsy voaheloka fa misy fepetra mialoha, misy fisamborana,...
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»